Site uses cookies to provide basic functionality.

OK
PSALMS
Prev Up Next Toggle notes
Chapter 107
Psal Mg1865 107:1  Miderà an’ i Jehovah, fa tsara Fa mandrakizay ny famindram-pony.
Psal Mg1865 107:2  Aoka hanao izany ny navotan’ i Jehovah, Dia izay navotany ho afaka tamin’ ny tanan’ ny fahavalo,
Psal Mg1865 107:3  Sy nangoniny avy tany amin’ ny tany maro, Dia avy tany atsinanana sy andrefana ary tany avaratra sy tany amin’ ny ranomasina.
Psal Mg1865 107:4  Nirenireny tany an-efitra ireny ka nanavatsava tany an-tany foana, Ary tsy nahita tanàna honenana.
Psal Mg1865 107:5  Noana sy nangetaheta izy, Sady reraka ny ainy tao anatiny,
Psal Mg1865 107:6  Dia nitaraina tamin’ i Jehovah ireo, raha ory, Ka novonjeny tamin’ ny fahatereny;
Psal Mg1865 107:7  Dia nitondra azy tamin’ ny lalana mahitsy Izy, Mba hankanesany any amin’ izay tanàna honenana.
Psal Mg1865 107:8  Aoka hidera an’ i Jehovah ireo noho ny famindram-pony Sy ny fahagagana ataony amin’ ny zanak’ olombelona!
Psal Mg1865 107:9  Fa mahafa-po ny fanahy mangetaheta Izy, Ary ny fanahy noana dia vokisany soa.
Psal Mg1865 107:10  Izay nipetraka tao amin’ ny maizina sy ny aloky ny fahafatesana, Voafato-pahoriana sy vy,
Psal Mg1865 107:11  Satria nandà ny tenin’ Andriamanitra Sady naniratsira ny anatry ny Avo Indrindra;
Psal Mg1865 107:12  Dia nampietreny tamin’ ny fahoriana ny fony; Ka potraka izy, nefa tsy nisy hamonjy;
Psal Mg1865 107:13  Dia nitaraina tamin’ i Jehovah ireo, raha ory, Ka novonjeny tamin’ ny fahatereny.
Psal Mg1865 107:14  Nitondra azy nivoaka avy tao amin’ ny maizina sy ny aloky ny fahafatesana Izy, Ary notosany ny fatorany.
Psal Mg1865 107:15  Aoka hidera an’ i Jehovah ireo noho ny famindram-pony Sy ny fahagagana ataony amin’ ny zanak’ olombelona!
Psal Mg1865 107:16  Fa nanorotoro ny varavarana varahina Izy, Ary ny hidy vy nohenteriny.
Psal Mg1865 107:17  Mitondra fahoriana ny adala noho ny fahadisoany sy ny helony:
Psal Mg1865 107:18  Nahamonamonaina azy ny hanina rehetra; Ary nanakaiky ny vavahadin’ ny fahafatesana izy.
Psal Mg1865 107:19  Dia nitaraina tamin’ i Jehovah ireo, raha ory, Ka novonjeny tamin’ ny fahatereny.
Psal Mg1865 107:20  Nandefa ny teniny Izy mba hahasitrana azy Ary nanafaka azy tamin’ ny longoa nianjerany.
Psal Mg1865 107:21  Aoka hidera an’ i Jehovah ireo noho ny famindram-pony Sy ny fahagagana ataony amin’ ny zanak’ olombelona!
Psal Mg1865 107:22  Ary aoka hanatitra fanati-pisaorana izy Sy hilaza ny asany amin’ ny fihobiana.
Psal Mg1865 107:23  Izay midìna any an-dranomasina ka mandeha an-tsambo Sy manao raharaha any amin’ ny rano lehibe
Psal Mg1865 107:24  No mahita ny asan’ i Jehovah Sy ny fahagagana ataony amin’ ny rano lalina.
Psal Mg1865 107:25  Fa niteny Izy ka nanangana rivotra mahery, Izay nampisondrotra ny onjan-drano;
Psal Mg1865 107:26  Niakatra hatramin’ ny lanitra ny olona, ary nidina hatramin’ ny lalina; Ny fanahiny levona noho ny fahoriana.
Psal Mg1865 107:27  Nisangodingodina ireo sady nivembena toy ny mamo, Ka dia very ny sainy rehetra.
Psal Mg1865 107:28  Dia nitaraina tamin’ i Jehovah ireo, raha ory, Ka nampiala azy tamin’ ny fahatereny Izy.
Psal Mg1865 107:29  Nanony ny rivotra mahery Izy, Ka nitsahatra ny onjan-drano.
Psal Mg1865 107:30  Dia faly ireo, satria nitsahatra izany; Ary nentiny ho amin’ ny fitodiana niriny izy.
Psal Mg1865 107:31  Aoka hidera an’ i Jehovah ireo noho ny famindram-pony Sy ny fahagagana ataony amin’ ny zanak’ olombelona!
Psal Mg1865 107:32  Ary aoka hanandratra Azy eo amin’ ny fiangonan’ ny olona izy Ka hidera Azy eo amin’ ny fipetrahan’ ny loholona.
Psal Mg1865 107:33  Mampody ny ony ho efitra Izy Ary ny loharano ho tany mangentana,
Psal Mg1865 107:34  Ny tany mahavokatra ho tanin-tsira, Noho ny faharatsian’ ny mponina eo.
Psal Mg1865 107:35  Mampody ny efitra ho rano monina Izy Sy ny tany maina ho loharano,
Psal Mg1865 107:36  Ary amponeniny eo izay noana, Mba hanamboatra tanana honenana;
Psal Mg1865 107:37  Ary hamafy eny an-tsaha izy Sady hanao tanim-boaloboka Ka hahazo vokatra be.
Psal Mg1865 107:38  Dia mitahy azy Izy mba hitomboany betsaka, Ka tsy avelany hihavitsy ny biby fiompiny.
Psal Mg1865 107:39  Fa mihakely sy mietry indray izy Noho ny fampahoriana sy ny loza ary ny alahelo.
Psal Mg1865 107:40  Mampidina fanamavoana amin’ ny mpanapaka Jehovah Ka mampirenireny azy any an-efitra tsy misy lalana;
Psal Mg1865 107:41  Fa manandratra ny malahelo ho afa-pahoriana kosa Izy, Ka mahamaro mianakavy azy toy ny ondry andiany.
Psal Mg1865 107:42  Hahita izany ny marina ka ho faly; Fa hihombom-bava kosa ny ratsy fanahy rehetra.
Psal Mg1865 107:43  Izay hendry dia aoka hahafantatra izany Ka hahalala ny famindram-pon’ i Jehovah.