Site uses cookies to provide basic functionality.

OK
PSALMS
Prev Up Next Toggle notes
Chapter 136
Psal Mg1865 136:1  Miderà an’ i Jehovah, fa tsara Izy; Fa mandrakizay ny famindram-pony.
Psal Mg1865 136:2  Midera an’ Andriamanitra Avo Indrindra; Fa mandrakizay ny famindram-pony.
Psal Mg1865 136:3  Miderà ny Tompon’ ny tompo; Fa mandrakizay ny famindram-pony;
Psal Mg1865 136:4  Izy irery no Mpanao fahagagan-dehibe (Fa mandrakizay ny famindram-pony),
Psal Mg1865 136:5  Izay nanao ny lanitra tamin’ ny fahendrena (Fa mandrakizay ny famindram-pony),
Psal Mg1865 136:6  Izay namelatra ny tany ho ambonin’ ny rano, (Fa mandrakizay ny famindram-pony),
Psal Mg1865 136:7  Izay nanao ireo fanazavana lehibe (Fa mandrakizay ny famindram-pony),
Psal Mg1865 136:8  Dia ny masoandro ho mpanapaka ny andro (Fa mandrakizay ny famindram-pony),
Psal Mg1865 136:9  Ary ny volana sy ny kintana ho mpanapaka ny alina (Fa mandrakizay ny famindram-pony),
Psal Mg1865 136:10  Izay namely ny voalohan-terak’ i Egypta, (Fa mandrakizay ny famindram-pony)
Psal Mg1865 136:11  Ka nitondra ny Isiraely nivoaka avy teo aminy (Fa mandrakizay ny famindram-pony),
Psal Mg1865 136:12  Tamin’ ny tanana mahery sy ny sandry nahinjitra (Fa mandrakizay ny famindram-pony),
Psal Mg1865 136:13  Izay nampisaraka ny Ranomasina Mena (Fa mandrakizay ny famindram-pony),
Psal Mg1865 136:14  Ka nampandeha ny Isiraely namaky teo afovoany (Fa mandrakizay ny famindram-pony),
Psal Mg1865 136:15  Fa nanary an’ i Farao sy ny miaramilany tao anatin’ ny Ranomasina Mena (Fa mandrakizay ny famindram-pony),
Psal Mg1865 136:16  Izay nitondra ny olony nitety ny efitra (Fa mandrakizay ny famindram-pony),
Psal Mg1865 136:17  Izay namely mpanjaka lehibe (Fa mandrakizay ny famindram-pony),
Psal Mg1865 136:18  Ka nahafaty mpanjaka malaza (Fa mandrakizay ny famindram-pony),
Psal Mg1865 136:19  Dia Sihona, mpanjakan’ ny Amorita (Fa mandrakizay ny famindram-pony),
Psal Mg1865 136:20  Sy Oga, mpanjakan’ i Basana (Fa mandrakizay ny famindram-pony),
Psal Mg1865 136:21  Ary ny taniny nomeny ho lova (Fa mandrakizay ny famindram-pony),
Psal Mg1865 136:22  Dia ho lovan’ ny Isiraely mpanompony (Fa mandrakizay ny famindram-pony),
Psal Mg1865 136:23  Izay nahatsiaro antsika fony isika ambany toetra (Fa mandrakizay ny famindram-pony),
Psal Mg1865 136:24  Ka naneho hery namonjy antsika ho afaka tamin’ ny fahavalontsika (Fa mandrakizay ny famindram-pony),
Psal Mg1865 136:25  Izay manome hanina ny nofo rehetra (Fa mandrakizay ny famindram-pony);
Psal Mg1865 136:26  Miderà an’ Andriamanitry ny lanitra; Fa mandrakizay ny famindram-pony.