Site uses cookies to provide basic functionality.

OK
PSALMS
Prev Up Next Toggle notes
Chapter 7
Psal Mg1865 7:2  Jehovah Andriamanitro ô, Hianao no ialofako; vonjeo aho amin’ izay rehetra manenjika ahy, ka afaho;
Psal Mg1865 7:3  Fandrao ny fanahiko viravirainy tahaka ny fanaon’ ny liona, ary kepokepohiny, ka tsy misy mamonjy.
Psal Mg1865 7:4  Jehovah Andriamanitro ô, raha nanao izany aho; raha misy heloka eto an-tanako;
Psal Mg1865 7:5  Raha namaly ratsy izay tsara fihavanana tamiko aho, novonjeko aza izay nampahory ahy tsy ahoan-tsy ahoana
Psal Mg1865 7:6  Dia aoka ny fahavalo hanenjika ny fanahiko ka hahatratra azy; eny, aoka izy hanitsaka ny aiko amin’ ny tany, ary hampandry ny voninahitro amin’ ny vovoka. [Sela.]
Psal Mg1865 7:7  Jehovah ô, mitsangàna amin’ ny fahatezeranao; misandrata hisakana ny fisafoaky ny mpampahory ahy; ary mifohaza hanampy ahy, fa didy marina no navoakanao;
Psal Mg1865 7:8  Aoka ny firenena maro hivory manodidina Anao; ary miverena ho any amin’ ny avo eo amboniny Hianao,
Psal Mg1865 7:9  Jehovah hitsara ny firenena; Jehovah ô, tsarao aho araka ny fahamarinako sy ny tsi-fananako tsiny.
Psal Mg1865 7:10  Aoka ho tapaka ny ratsy ataon’ ny ratsy fanahy, fa ampitoero kosa ny marina; fa Andriamanitra marina no mamantatra ny fo sy ny voa.
Psal Mg1865 7:11  Ny ampingako dia ao amin’ Andriamanitra, Mpamonjy ny mahitsy fo.
Psal Mg1865 7:12  Mpitsara marina Andriamanitra, eny Andriamanitra Izay tezitra isan’ andro.
Psal Mg1865 7:13  Raha tsy ibebahana Izy, dia hanasa ny sabany; efa manenjana ny tsipìkany Izy ka manamboatra azy,
Psal Mg1865 7:14  Ary ireo dia kendreny amin’ ny fiadiana mahafaty; ny zana-tsipìkany ataony mirehitra.
Psal Mg1865 7:15  Indro, efa marary hiteraka zava-poana ireo; eny, torontoronina fampahoriana izy ary mitera-doza;
Psal Mg1865 7:16  Mihady lavaka izy ka manalalaka izany, dia latsaka ao anatin’ ny longoa nataony ihany izy;
Psal Mg1865 7:17  Mitsingerina ho eo an-dohany ihany ny fampahoriany; ary eo an-tampon-dohany ihany no ianjeran’ ny loza nataony.
Psal Mg1865 7:18  Hidera an’ i Jehovah araka ny fahamarinany aho, ary hankalaza ny anaran’ i Jehovah Avo Indrindra.