Site uses cookies to provide basic functionality.

OK
PSALMS
Prev Up Next Toggle notes
Chapter 16
Psal Mg1865 16:1  Arovy aho, Andriamanitra ô, fa mialoka aminao aho.
Psal Mg1865 16:2  Hoy izaho ny amin’ i Jehovah: Tompoko Hianao; tsy misy soa ananako azo oharina aminao;
Psal Mg1865 16:3  Ary ny amin’ ny olona masìna ambonin’ ny tany, ireo no olona tsara laza izay sitrako indrindra.
Psal Mg1865 16:4  Ho be ny fahorian’ izay manova an’ Andriamanitra hatakalony ny hafa. Tsy mba hanatitra ny fanati-drà aidiny aho, ary tsy mba hotononin’ ny molotro ny anarany.
Psal Mg1865 16:5  Jehovah no anjara lovako sy kapoakako; Hianao no mampaharitra ny anjarako.
Psal Mg1865 16:6  Ny voafaritra ho anjarako dia eo amin’ ny tany mahafinaritra; eny, manan-dova tsara aho.
Psal Mg1865 16:7  Hisaotra an’ i Jehovah Izay manome saina ahy aho; ary na amin’ ny alina aza dia mananatra ahy ny foko.
Psal Mg1865 16:8  Ataoko eo anatrehako mandrakariva Jehovah, fa eo ankavanako Izy, ka dia tsy hangozohozo aho.
Psal Mg1865 16:9  Izany no ifalian’ ny foko sy iravoravoan’ ny fanahiko; eny, ny nofoko aza hitoetra tsy manana ahiahy.
Psal Mg1865 16:10  Fa tsy ho foinao ho any amin’ ny fiainan-tsi-hita ny aiko; tsy hamela ny Iray Masinao ho latsaka ao amin’ ny lavaka Hianao.
Psal Mg1865 16:11  Hampahafantatra ahy ny lalan’ aina Hianao; fa havokisam-pifaliana no eo anatrehanao, ary fahafinaretana no eo an-tananao ankavanana mandrakizay.