Site uses cookies to provide basic functionality.

OK
PSALMS
Prev Up Next Toggle notes
Chapter 39
Psal Mg1865 39:2  Hoy izaho: hitandrina ny lalako aho ka tsy hanota amin’ ny lelako; hasiako fehim-bava ny vavako, raha mbola eo anatrehako ny ratsy fanahy.
Psal Mg1865 39:3  Nangina mihitsy aho, namihim-bava ka tsy nilaza na dia ny tsara aza, dia nihetsika mafy ny fanaintainan’ ny aretiko.
Psal Mg1865 39:4  Nafana ny foko tato anatiko; raha nieritreritra aho, dia nisy afo nirehitra, ka niteny tamin’ ny lelako aho.
Psal Mg1865 39:5  Jehovah ô, ampahafantaro ny farako aho sy izay ohatry ny androko; aoka ho fantatro fa olon-kandalo aho.
Psal Mg1865 39:6  Indro efa nataonao vodivoam-pelatanana ny androko, ary ny fiainako toy ny tsinontsinona eo anatrehanao. Zava-poana ihany tokoa ny olon-drehetra, na dia matanjaka aza. [Sela.]
Psal Mg1865 39:7  Aloka tokoa no fandehandehan’ ny olona; zava-poana tokoa no itabatabàny; mihary harena izy nefa tsy fantany izay ho tompon’ izany.
Psal Mg1865 39:8  Ary ankehitriny, inona no andrasako Tompo ô? Hianao no antenaiko.
Psal Mg1865 39:9  Manafaha ahy amin’ ny fahadisoako rehetra; aza manao ahy ho fanakoran’ ny adala.
Psal Mg1865 39:10  Mangìna aho ka tsy miloa-bava fa ianao no nanao izao.
Psal Mg1865 39:11  Aoka hitsahatra ny fikapohanao ahy; reraka aho azon’ ny famelin’ ny tananao.
Psal Mg1865 39:12  Anatra noho ny fahadisoany no ananaranao ny olona, ka manimba ny hatsaran-tarehiny tahaka ny kalalao ianao; zava-poana tokoa ny olona rehetra. [Sela.]
Psal Mg1865 39:13  Mandrenesa ny fivavako Jehovah ô, ary mihainoa ny fitarainako; aza mangìna amin’ ny ranomasoko fa vahiny aminao aho sy mpivahiny tahaka ny razako rehetra.
Psal Mg1865 39:14  Aza atrehinao aho aloha, dia ho miramirana indray, dieny aho tsy mbola lasa ka tsy ho eto intsony.