Site uses cookies to provide basic functionality.

OK
PSALMS
Prev Up Next Toggle notes
Chapter 113
Psal Mg1865 113:1  Haleloia. Miderà, ianareo mpanompon’ i Jehovah, Miderà ny anaran’ i Jehovah.
Psal Mg1865 113:2  Isaorana anie ny anaran’ i Jehovah Hatramin’ izao ka ho mandrakizay.
Psal Mg1865 113:3  Hatramin’ ny fiposahan’ ny masoandro ka hatramin’ ny filentehany No hoderaina anie ny anaran’ i Jehovah.
Psal Mg1865 113:4  Avo ambonin’ ny jentilisa Jehovah; Ambonin’ ny lanitra ny voninahiny.
Psal Mg1865 113:5  Iza no tahaka an’ i Jehovah Andriamanitsika, Izay mipetraka any amin’ ny avo,
Psal Mg1865 113:6  Nefa miondrika mijery Ny any an-danitra sy ny etỳ an-tany?
Psal Mg1865 113:7  Manangana ny malahelo hiala amin’ ny vovoka Izy Ary manandratra ny mahantra ho afaka eo amin’ ny zezika,
Psal Mg1865 113:8  Mba hametraka azy ho naman’ ny mpanapaka ny olony.
Psal Mg1865 113:9  Mampitoetra tsara ny momba Izy, Fa mahatonga azy ho renin-jaza mifaly. Haleloia.