Site uses cookies to provide basic functionality.

OK
PSALMS
Prev Up Next Toggle notes
Chapter 10
Psal Mg1865 10:1  Jehovah ô, nahoana no mijanona eny lavitra eny Hianao ka miery amin’ ny andro fahoriana?
Psal Mg1865 10:2  Noho ny fireharehan’ ny ratsy fanahy dia enjehina mafy ny malahelo; azon’ ny fahendrena nataony izy ireny.
Psal Mg1865 10:3  Ny ratsy fanahy mandoka izay irin’ ny fony; ary ny mpierina mahafoy sy manamavo an’ i Jehovah.
Psal Mg1865 10:4  Ny ratsy fanahy mirehareha hoe: Tsy hanadina Izy; eny, “Tsy misy Andriamanitra” no tontalin-keviny.
Psal Mg1865 10:5  Tanteraka mandrakariva ny alehany; any amin’ ny avo lavitra azy ny fitsarànao; ny mpandrafy azy rehetra dia ataony hoe: zinona ireny?
Psal Mg1865 10:6  Hoy izy am-pony: tsy hangozohozo aho, tsy ho azon-doza mandrakizay doria aho.
Psal Mg1865 10:7  Feno ozona sy fitaka ary fanaovana an-keriny ny vavany; ao ambanin’ ny lelany dia misy fampahoriana sy faharatsiana.
Psal Mg1865 10:8  Mamitsaka amin’ ny fanotrehana ao an-tanàna izy, ao an-katakonana no amonoany ny marina; ny masony mikendry ny mahantra.
Psal Mg1865 10:9  Manotrika ao an-katakonana tahaka ny liona ao amin’ ny famitsahany izy; manotrika hisambotra ny malahelo izy; fandrihany amin’ ny haratony no fisambony ny malahelo.
Psal Mg1865 10:10  Torotoro sy mitanondrika ny mahantra ka lavo amin’ ny herin’ ny ratsy fanahy.
Psal Mg1865 10:11  Hoy izy anakampony: efa nanadino Andriamanitra, efa nanafina ny tavany Izy ka tsy hahita mandrakizay.
Psal Mg1865 10:12  Mitsangàna, Jehovah ô; Andriamanitra ô, atsangano ny tananao, aza manadino ny ory.
Psal Mg1865 10:13  Nahoana no mamingavinga an’ Andriamanitra ny ratsy fanahy ka manao anakampo hoe: Tsy hanadina Hianao?
Psal Mg1865 10:14  Efa nahita ihany Hianao, satria mijery fahoriana sy alahelo, mba hovalian’ ny tananao. Hianao no iononan’ ny mahantra; Hianao no Mpamonjy ny kamboty.
Psal Mg1865 10:15  Torotoroy ny sandrin’ ny ratsy fanahy; ary adino ny heloky ny mpanao ratsy mandra-paha-tsy hisy hitanao intsony.
Psal Mg1865 10:16  Jehovah no Mpanjaka mandrakizay doria; voafongotra tsy ho amin’ ny taniny intsony ny jentilisa.
Psal Mg1865 10:17  Efa nohenoinao, Jehovah ô, ny irin’ ny mpandefitra; mampiomana ny fony Hianao sady mampihaino ny sofinao,
Psal Mg1865 10:18  Hanomezanao rariny ny kamboty sy ny mahantra, mba tsy handroso hampitahotra intsony ny zanak’ olombelona etỳ an-tany.