Site uses cookies to provide basic functionality.

OK
PSALMS
Prev Up Next Toggle notes
Chapter 148
Psal Mg1865 148:1  Haleloia. Miderà an’ i Jehovah, ry any an-danitra; Miderà Azy any ambony.
Psal Mg1865 148:2  Miderà Azy, ry anjeliny rehetra; Miderà Azy, ry miaramilany rehetra.
Psal Mg1865 148:3  Miderà Azy, ry masoandro amam-bolana; Miderà Azy, ry kintana mazava rehetra.
Psal Mg1865 148:4  Miderà Azy, ry lanitry ny lanitra, Ary ianareo rano ambonin’ ny lanitra.
Psal Mg1865 148:5  Aoka hidera ny anaran’ i Jehovah ireo; Fa Izy no nandidy, dia ary ireo.
Psal Mg1865 148:6  Nampitoetra ireo ho mandrakizay doria Izy; Nomen-dalàna ireo ka tsy mba mihoatra.
Psal Mg1865 148:7  Midera an’ i Jehovah etỳ an-tany, Hianareo dragona sy ianareo rano lalina rehetra,
Psal Mg1865 148:8  Ny afo sy ny havandra, ny oram-panala sy ny zavona, Ny rivotra mahery izay mankatò ny teniny,
Psal Mg1865 148:9  Ny tendrombohitra sy ny havoana rehetra, Ny hazo fihinam-boa sy ny sedera rehetra,
Psal Mg1865 148:10  Ny bibi-dia sy ny biby fiompy rehetra, Ny biby mandady na mikisaka ary ny voro-manidina,
Psal Mg1865 148:11  Ny mpanjaka amin’ ny tany sy ny vahoaka rehetra, Ny mpanapaka sy ny mpitsara rehetra amin’ ny tany,
Psal Mg1865 148:12  Na ny zatovolahy, na ny zatovovavy, Na ny antitra, na ny tanora,
Psal Mg1865 148:13  Samia midera ny anaran’ i Jehovah avokoa, Fa ny anarany ihany no misandratra; Ambonin’ ny tany sy ny lanitra ny voninahiny.
Psal Mg1865 148:14  Ary manandratra tandroka ho an’ ny olony Izy, Dia fiderana ho an’ ny olony masìna rehetra, Eny, ho an’ ny Zanak’ Isiraely, firenena akaiky Azy. Haleloia.