Site uses cookies to provide basic functionality.

OK
PSALMS
Prev Up Next Toggle notes
Chapter 48
Psal Mg1865 48:2  Lehibe Jehovah ka mendrika hoderaina indrindra, ao an-tanànan’ Andriamanitsika, ao an-tendrombohiny masìna.
Psal Mg1865 48:3  Avo mahafinaritra, fifalian’ ny tany rehetra, ny tendrombohitra Ziona, eo amin’ ny ilany avaratra, tanànan’ ny Mpanjaka lehibe.
Psal Mg1865 48:4  Andriamanitra ao an-tranon’ andriana ao dia nanao izay hahafantarana Azy ho fiarovana avo.
Psal Mg1865 48:5  Fa he! niangona ny mpanjaka maro, niara-nandroso avokoa izy.
Psal Mg1865 48:6  Nijery izy ka talanjona terỳ; Very hevitra izy ka nalaky nandositra;
Psal Mg1865 48:7  Hovitra no nahazo azy teo, dia tahaka ny fanaintainan’ ny vehivavy raha miteraka.
Psal Mg1865 48:8  Amin’ ny rivotra avy any atsinanana no namakianao ny sambon’ i Tarsisy.
Psal Mg1865 48:9  Araka izay efa rentsika no hitantsika, tao an-tanànan’ i Jehovah, Tompon’ ny maro, tao an-tanànan’ Andriamanitsika. Andriamanitra mampitoetra azy mandrakizay. [Sela.]
Psal Mg1865 48:10  Efa nieritreritra ny famindram-ponao izahay, Andriamanitra ô, tao anatin’ ny tempolinao.
Psal Mg1865 48:11  Araka ny anaranao, Andriamanitra ô, no fiderana Anao hatramin’ ny faran’ ny tany; feno fahamarinana ny tananao ankavanana.
Psal Mg1865 48:12  Aoka hifaly ny tendrombohitra Ziona, aoka ho ravoravo ny zanaka-vavin’ Joda, noho ny fitsaranao.
Psal Mg1865 48:13  Manodidina an’ i Ziona ianareo, eny, mandehana manodidina azy; isao ny tilikambony,
Psal Mg1865 48:14  Hevero tsara ny mandany, diniho ny tranon’ andrianany, mba hambaranareo amin’ ny taranaka mandimby.
Psal Mg1865 48:15  Fa izany no Andriamanitra, dia Andriamanitsika mandrakizay doria; Izy no hitarika antsika na dia hatramin’ ny fahafatesana aza.