Site uses cookies to provide basic functionality.

OK
PSALMS
Prev Up Next
Chapter 41
Psal Mg1865 41:2  Sambatra izay mahatsiaro ny malahelo; Jehovah hamonjy azy amin’ ny andro fahoriana.
Psal Mg1865 41:3  Jehovah hitandrina sy hiaro azy tsy ho faty; hatao ho sambatra ambonin’ ny tany izy, ary tsy mba hatolotrao amin’ ny sitrapon’ ny fahavalony.
Psal Mg1865 41:4  Jehovah hanohana azy eo ambonin’ ny farafara hitsaboana azy. Ny fandriany rehetra eo am-paharariany dia hovanao.
Psal Mg1865 41:5  Hoy izaho: Jehovah ô, mamindrà fo amiko; sitrano ny fanahiko, fa efa nanota taminao aho.
Psal Mg1865 41:6  Ny fahavaloko maniry ahy ho simba ka manao hoe: Rahoviana no ho faty izy, ka ho very ny anarany?
Psal Mg1865 41:7  Ary raha avy mamangy, izy dia miteny zava-poana; ny fony mamory faharatsiana ho an’ ny tenany; mivoaka eny ivelany izy ka milazalaza.
Psal Mg1865 41:8  Mitakoritsika ahy izay rehetra mankahala ahy; misaina hanisy ratsy ahy izy.
Psal Mg1865 41:9  Tena zava-dratsy, hoy izy, no aidina aminy; ary raha mandry izy dia tsy hitsangana intsony.
Psal Mg1865 41:10  Eny, ny sakaizako, izay maha-toky ahy sady nihinana ny haniko, no nanangana ny ombelahin-tongony hamely ahy.
Psal Mg1865 41:11  Fa ianao kosa Jehovah ô, mamindrà fo amiko, ka atsangano aho mba hamaliako azy.
Psal Mg1865 41:12  Izao no hahafantarako fa mankasitraka ahy Hianao, dia ny tsy anakoran’ ny fahavaloko ahy.
Psal Mg1865 41:13  Ary ny amiko, dia manohana ahy amin’ ny fahitsiako Hianao, ka mampitoetra ahy eo anatrehanao mandrakizay.
Psal Mg1865 41:14  Isaorana anie Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, hatramin’ ny taloha indrindra ka mandrakizay. Amena dia Amena.