Site uses cookies to provide basic functionality.

OK
PSALMS
Prev Up Next
Chapter 53
Psal Mg1865 53:2  Ny adala manao anakampo hoe: tsy misy Andriamanitra. Manao izay ratsy sy vetaveta izy, tsy misy manao ny tsara.
Psal Mg1865 53:3  Eny an-danitra Andriamanitra miondrika mijery ny zanak’ olombelona, mba hizaha na misy hendry mitady an’ Andriamanitra.
Psal Mg1865 53:4  Samy efa nivily izy rehetra ka tonga vetaveta avokoa; tsy misy manao ny tsara, na dia iray akory aza.
Psal Mg1865 53:5  Tsy mahalala va ny mpanao ratsy, izay mihinana ny oloko toy ny fihinan-kanina, ary Andriamanitra tsy antsoiny?
Psal Mg1865 53:6  Indreo, matahotra dia matahotra ireny, nefa tsy nisy tokony hatahorany; fa Andriamanitra efa nanely ny taolan’ izay nitoby hamely anao; nampahamenatra azy ianao, satria efa narian’ Andriamanitra izy.
Psal Mg1865 53:7  Enga anie ka hivoaka avy ao Ziona ny famonjena ny Isiraely! raha ampodin’ Andriamanitra avy amin’ ny fahababoana ny olony, dia ho faly Jakoba, ary ho ravoravo Isiraely.