MATTHEW
Chapter 12
Matt | Mg1865 | 12:1 | Tamin’ izany andro izany Jesosy nandeha namaky ny tanimbary tamin’ ny Sabata; ary noana ny mpianany ka nanoty salohim-bary, dia nihinana. | |
Matt | Mg1865 | 12:2 | Fa nony nahita izany ny Fariseo, dia hoy izy taminy: Indro, ny mpianatrao manao izay tsy mety hatao amin’ ny Sabata. | |
Matt | Mg1865 | 12:3 | Ary hoy Izy taminy: Tsy mbola novakinareo va ny teny milaza ilay nataon’ i Davida, raha noana izy mbamin’ izay nanaraka azy, | |
Matt | Mg1865 | 12:4 | Fa niditra tao amin’ ny tranon’ Andriamanitra izy ka nihinana ny mofo aseho, izay nahadiso raha haniny, na izay nanaraka azy, afa-tsy ny mpisorona ihany? | |
Matt | Mg1865 | 12:5 | Ary tsy mbola novakinareo ao amin’ ny lalàna va fa amin’ ny Sabata ny mpisorona ao amin’ ny tempoly manota ny Sabata, nefa tsy manan-tsiny? | |
Matt | Mg1865 | 12:7 | Fa raha fantatrareo izay hevitry ny teny hoe: Famindram-po no sitrako, fa tsy fanatitra alatsa-drà, dia tsy mba nanameloka ny tsy manan-tsiny ianareo. | |
Matt | Mg1865 | 12:10 | ary, indro, nisy lehilahy maty tanana teo. Ary ny olona nanontany Azy hoe: Mety va ny mahasitrana amin’ ny Sabata? mba hiampangany Azy. | |
Matt | Mg1865 | 12:11 | Ary hoy Izy taminy: Iza moa no olona ao aminareo, raha manana ondry anankiray, ka latsaka any an-kady amin’ ny Sabata, no tsy handray azy sy hampakatra azy? | |
Matt | Mg1865 | 12:12 | Ary tsy mihoatra lavitra noho ny ondry va ny olona? Koa amin’ izany dia mety ny manao soa amin’ ny Sabata. | |
Matt | Mg1865 | 12:13 | Dia hoy Izy tamin-dralehilahy: Ahinjiro ny tananao. Dia nahinjiny ka sitrana ho tahaka ny anankiray. | |
Matt | Mg1865 | 12:15 | Fa Jesosy nahalala izany, ka dia niala teo. Ary nisy olona betsaka nanaraka Azy, ka dia nositraniny avokoa izy rehetra; | |
Matt | Mg1865 | 12:18 | Indro ny Mpanompoko, Izay nofidiko, Ny Malalako, Izay sitraky ny foko indrindra; Hapetrako ao aminy ny Fanahiko, Ary hitory ny rariny amin’ ny jentilisa Izy; | |
Matt | Mg1865 | 12:20 | Tsy hotapahiny ny volotara torotoro, Ary tsy hovonoiny ny lahin-jiro manetona, Ambara-pamoakany ny rariny ho mpandresy; | |
Matt | Mg1865 | 12:22 | Dia nentina tany amin’ i Jesosy ny lehilahy anankiray izay demoniaka, sady jamba no moana; dia nositraniny, ka dia niteny sy nahita ilay moana. | |
Matt | Mg1865 | 12:24 | Fa nony ren’ ny Fariseo izany, dia hoy izy: Tsy misy amoahan’ ilehiny ny demonia, afa-tsy Belzeboba, lohan’ ny demonia. | |
Matt | Mg1865 | 12:25 | Ary Jesosy nahalala ny eritreriny, dia nanao taminy hoe: Ho foana ny fanjakana rehetra izay miady an-trano; ary tsy haharitra ny tanàna rehetra, na ny trano, izay miady an-trano. | |
Matt | Mg1865 | 12:26 | Ary raha Satana no mamoaka an’ i Satana, dia miady an-trano izy; ka ahoana no haharetan’ ny fanjakany? | |
Matt | Mg1865 | 12:27 | Ary raha Belzeboba no amoahako ny demonia, iza kosa no mba amoahan’ ny zanakareo azy? ary noho izany dia izy ihany no ho mpitsara anareo. | |
Matt | Mg1865 | 12:28 | Fa raha ny Fanahin’ Andriamanitra kosa no amoahako ny demonia, dia efa tonga aminareo sahady ny fanjakan’ Andriamanitra. | |
Matt | Mg1865 | 12:29 | Fa hataon’ ny olona ahoana no fiditra ao an-tranon’ ny mahery handroba ny entany, raha tsy afatony aloha ny mahery? dia vao handroba ny ao an-tranony izy. | |
Matt | Mg1865 | 12:30 | Izay tsy momba Ahy dia manohitra Ahy; ary izay tsy miara-mamory amiko dia manahaka. | |
Matt | Mg1865 | 12:31 | Ary noho izany dia lazaiko aminareo hoe: Hahazo famelan-keloka ny olona amin’ ny ota sy fitenenan-dratsy samy hafa rehetra; fa tsy hahazo famelan-keloka ny olona amin’ ny fitenenan-dratsy ny Fanahy Masìna. | |
Matt | Mg1865 | 12:32 | Ary na iza na iza no manao teny hanohitra ny Zanak’ olona, dia hahazo famelan-keloka ihany; fa na iza na iza no miteny hanohitra ny Fanahy Masìna, dia tsy mba hahazo famelan-keloka, na amin’ izao fiainana izao, na amin’ ny ho avy. | |
Matt | Mg1865 | 12:33 | Koa ataovy tsara ny hazo mbamin’ ny voany, na ataovy ratsy ny hazo mbamin’ ny voany; fa ny voany no ahafantarana ny hazo. | |
Matt | Mg1865 | 12:34 | Ry taranaky ny menarana! hataonareo, izay ratsy fanahy, ahoana no fahay miteny zavatra tsara? fa avy amin’ ny haben’ ny ao am-po no itenenan’ ny vava. | |
Matt | Mg1865 | 12:35 | Ny rakitra tsara no amoahan’ ny olona tsara fanahy zavatra tsara; ary ny rakitra ratsy kosa no amoahan’ ny olona ratsy fanahy zavatra ratsy. | |
Matt | Mg1865 | 12:36 | Ary lazaiko aminareo fa hampamoahina ny olona amin’ ny andro fitsarana noho ny amin’ ny teny foana rehetra izay ataony. | |
Matt | Mg1865 | 12:38 | Ary tamin’ izany ny sasany tamin’ ny mpanora-dalàna sy ny Fariseo namaly Azy ka nanao hoe: Mpampianatra ô, ta-hahita famantarana avy aminao izahay. | |
Matt | Mg1865 | 12:39 | Fa Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Izay taranaka ratsy fanahy sy mijangajanga dia fatra-pitady famantarana; nefa tsy hisy famantarana homena azy, afa-tsy famantarana ny amin’ i Jona mpaminany; | |
Matt | Mg1865 | 12:40 | fa tahaka ny nitoeran’ i Jona hateloan’ andro sy hateloan’ alina tao an-kibon’ ny hazandrano lehibe, dia toy izany no hitoeran’ ny Zanak’ olona hateloan’ Andro sy hateloan’ alina ao anatin’ ny tany. | |
Matt | Mg1865 | 12:41 | Ny olona tany Ninive hiara-mitsangana amin’ ity taranaka ity amin’ ny andro fitsarana ka hanameloka azy; fa nibebaka izy tamin’ ny nitorian’ i Jona teny; nefa, indro, misy lehibe noho Jona eto. | |
Matt | Mg1865 | 12:42 | Ny mpanjakavavy avy tany atsimo hiara-mitsangana amin’ ity taranaka ity amin’ ny andro fitsarana ka hanameloka azy; fa avy tany amin’ ny faran’ ny tany izy hihaino ny fahendren’ i Solomona; nefa, indro, misy lehibe noho Solomona eto. | |
Matt | Mg1865 | 12:43 | Raha mivoaka amin’ ny olona ny fanahy maloto, dia mandeha mitety ny tany tsy misy rano izy, mitady fitsaharana, fa tsy mahita. | |
Matt | Mg1865 | 12:44 | Dia hoy izy: Hody any amin’ ny tranoko izay nivoahako aho; ary nony tonga izy, dia hitany fa foana ny trano sady voafafa no voavoatra. | |
Matt | Mg1865 | 12:45 | Ary dia mandeha izy ka mitondra fanahy fito hafa koa miaraka aminy izay ratsy noho izy; dia miditra ireo ka mitoetra ao; ary ny faran’ izany olona izany dia tonga ratsy noho ny voalohany. Ary dia tahaka izany koa no ho amin’ ity taranaka ratsy fanahy ity. | |
Matt | Mg1865 | 12:46 | Ary raha mbola niteny tamin’ ny vahoaka Jesosy, indreo, ny reniny mbamin’ ny rahalahiny nijanona teo ala-trano nitady hiteny aminy. | |
Matt | Mg1865 | 12:47 | Ary nisy anankiray nanao taminy hoe: Indreo, ny reninao mbamin’ ny rahalahinao mijanona ato ala-trano mitady hiteny aminao. | |
Matt | Mg1865 | 12:48 | Fa namaly Izy ka nanao tamin’ ilay nilaza taminy hoe: Iza moa no reniko, ary iza no rahalahiko? | |
Matt | Mg1865 | 12:49 | Ary naninjitra ny tànany nanondro ny mpianany Izy ka nanao hoe: Indreo ny reniko sy ny rahalahiko; | |