Site uses cookies to provide basic functionality.

OK
PSALMS
Prev Up Next Toggle notes
Chapter 15
Psal Mg1865 15:1  Jehovah ô, iza no hitoetra ao amin’ ny tabernakelinao? iza no honina ao an-tendrombohitrao masìna?
Psal Mg1865 15:2  Izay mandeha tsy misy tsiny ary manao izay mahitsy, sady misaintsaina ny marina ny fony;
Psal Mg1865 15:3  Tsy manendrikendrika amin’ ny lelany, sady tsy manisy ratsy ny sakaizany, ary tsy manao izay hahafa-baraka ny namany,
Psal Mg1865 15:4  Tsy manaja ny ratsy fanahy, fa manome voninahitra ny matahotra an’ i Jehovah; tsy mivadika amin’ ny fianianany, na dia maningotra ny tenany aza,
Psal Mg1865 15:5  Sady tsy mampihana ny volany, na mandray kolikoly hanameloka ny marina,― izay mitandrina izany dia tsy mba hangozohozo mandrakizay.