Site uses cookies to provide basic functionality.

OK
PSALMS
Prev Up Next
Chapter 126
Psal Mg1865 126:1  Fony Jehovah nampody an’ i Ziona avy tamin’ ny fahababoany, Dia tahaka izay nanonofy isika.
Psal Mg1865 126:2  Fahizay dia feno hehy ny vavantsika Sy fihobiana ny lelantsika; Dia natao tany amin’ ny Jentilisa hoe: Zava-dehibe no nataon’ i Jehovah ho an’ ireny.
Psal Mg1865 126:3  Eny, zava-dehibe no nataon’ i Jehovah ho antsika, Ka dia faly isika.
Psal Mg1865 126:4  Tanteraho, Jehovah ô, ny ham-podiana anay avy amin’ ny fahababoana, Tahaka ny fiverenan’ ny riaka any amin’ ny tany atsimo.
Psal Mg1865 126:5  Izay mamafy am-pitomaniana Dia hijinja am-pifaliana.
Psal Mg1865 126:6  Mandeha mitomany mitondra ny voa afafiny izy, Fa hiverina mitondra ny amboarany amin’ ny fihobiana kosa.