Site uses cookies to provide basic functionality.

OK
PSALMS
Prev Up Next
Chapter 150
Psal Mg1865 150:1  Haleloia. Miderà an’ Andriamanitra eo amin’ ny fitoerany masìna. Miderà Azy eo amin’ ny habakabaky ny heriny.
Psal Mg1865 150:2  Midera Azy noho ny asany lehibe; Miderà Azy araka ny haben’ ny voninahiny.
Psal Mg1865 150:3  Miderà Azy amin’ ny fitsofana ny anjomara; Miderà Azy amin’ ny valiha sy ny lokanga.
Psal Mg1865 150:4  Miderà Azy amin’ ny ampongatapaka sy ny dihy; Miderà Azy amin’ ny zava-maneno tendrena sy ny sodina.
Psal Mg1865 150:5  Miderà Azy amin’ ny kipantsona maneno; Miderà Azy amin’ ny kipantsona tsara feo.
Psal Mg1865 150:6  Aoka izay rehetra manam-pofonaina samy hidera an’ i Jehovah. Haleloia.