Site uses cookies to provide basic functionality.

OK
PSALMS
Prev Up Next Toggle notes
Chapter 70
Psal Mg1865 70:2  Andriamanitra ô, faingàna hanafaka ahy; Jehovah ô, faingàna hamonjy ahy.
Psal Mg1865 70:3  Aoka ho menatra sy hangaihay izay mitady ny aiko; aoka hiamboho sy ho afa-baraka izay faly amin’ ny manjo ahy;
Psal Mg1865 70:4  Aoka hiamboho noho ny fahamenarany izay manao hoe: Hià! sakoa izay!
Psal Mg1865 70:5  Aoka hifaly sy ho ravoravo aminao izay rehetra mitady Anao; ary aoka izay tia ny famonjenao hanao mandrakariva hoe: hankalazaina anie Andriamanitra.
Psal Mg1865 70:6  Fa izaho dia ory sy malahelo; faingàna hankatỳ amiko, Andriamanitra ô; Mpamonjy sy Mpanafaka ahy Hianao; aza ela, Jehovah ô.