MATTHEW
Chapter 22
Matt | Mg1865 | 22:2 | Ny fanjakan’ ny lanitra dia tahaka ny mpanjaka, izay nanao fanasana fampakaram-bady ho an’ ny zananilahy. | |
Matt | Mg1865 | 22:3 | Ary izy naniraka ny mpanompony hiantso izay efa nasaina mba hankao amin’ ny fampakaram-bady; fa tsy nety ho avy ireo. | |
Matt | Mg1865 | 22:4 | Dia naniraka mpanompo hafa koa indray izy ka nanao hoe: Lazao amin’ ny efa nasaina hoe: Indro, efa voavoatra ny nahandroko; efa voavono ny ombiko sy ny nafahiko, ka efa voavoatra avokoa ny zavatra rehetra; koa mankanesa atỳ amin’ ny fampakaram-bady ianareo. | |
Matt | Mg1865 | 22:5 | Nefa tsy nahoany akory izany, fa samy lasa nandeha izy, ny anankiray ho any amin’ ny sahany, ary ny anankiray ho any amin’ ny varony. | |
Matt | Mg1865 | 22:7 | Ary dia tezitra ilay mpanjaka ka naniraka ny miaramilany, dia nandringana izany mpamono olona izany sady nandoro ny tanànany. | |
Matt | Mg1865 | 22:8 | Dia hoy izy tamin’ ny mpanompony: Efa voavoatra ny fampakaram-bady, fa ny efa nasaina no tsy miendrika. | |
Matt | Mg1865 | 22:9 | Koa mankanesa ianareo any amin’ ny sampanan-dalana, ary izay hitanareo, dia asao ho ao amin’ ny fampakaram-bady. | |
Matt | Mg1865 | 22:10 | Dia nivoaka ho any amin’ ny lalana ireny mpanompo ireny ka namory izay rehetra hitany, na ny ratsy, na ny tsara; ary dia feno mpihinana ny fampakaram-bady. | |
Matt | Mg1865 | 22:11 | Ary nony efa niditra ny mpanjaka hizaha ny mpihinana, dia nahita lehilahy anankiray izay tsy niakanjo ny akanjo fitondra amin’ ny fampakaram-bady. | |
Matt | Mg1865 | 22:12 | Dia hoy izy taminy: Ry sakaiza, ahoana no idiranao eto, nefa ianao tsy miakanjo ny akanjo fitondra amin’ ny fampakaram-bady? Dia sina izy. | |
Matt | Mg1865 | 22:13 | Ary dia hoy ny mpanjaka tamin’ ny mpanompony: Afatory ny tongony aman-tànany, dia ario any amin’ ny maizina any ivelany izy; any no hisy ny fitomaniana sy ny fikitroha-nify. | |
Matt | Mg1865 | 22:15 | Ary tamin’ izay dia lasa ny Fariseo ka niara-nisaina mba hamandrika Azy amin’ ny teniny. | |
Matt | Mg1865 | 22:16 | Dia naniraka ny mpianany mbamin’ ny Herodiana hankeo aminy izy ka nanao hoe: Mpampianatra ô, fantatray fa marina Hianao ka mampianatra marina ny lalan’ Andriamanitra ary tsy manahy olona, satria tsy mba mizaha tavan’ olona. | |
Matt | Mg1865 | 22:17 | Koa lazao aminay ary izay hevitrao: Moa mety va ny mandoa vola hetra ho an’ i Kaisara, sa tsia? | |
Matt | Mg1865 | 22:18 | Fa Jesosy nahalala ny faharatsiany, dia nanao hoe: Nahoana no maka fanahy Ahy ianareo, ry mpihatsaravelatsihy? | |
Matt | Mg1865 | 22:21 | Hoy izy taminy: An’ i Kaisara. Dia hoy Jesosy taminy: Aloavy ho an’ i Kaisara ary izay an’ i Kaisara, ary ho an’ Andriamanitra izay an’ Andriamanitra. | |
Matt | Mg1865 | 22:23 | Tamin’ izany andro izany dia nankeo amin’ i Jesosy ny Sadoseo sasany, izay milaza fa tsy misy fitsanganan’ ny maty, ka nanontany Azy hoe: | |
Matt | Mg1865 | 22:24 | Mpampianatra ô, Mosesy nilaza hoe: Raha misy maty momba, aoka ny rahalahiny hampakatra ny vadiny ka hiteraka hamelo-maso ny rahalahiny. | |
Matt | Mg1865 | 22:25 | Koa nisy fito mirahalahy tetỳ aminay; ary ny zokiny nampaka-bady, dia maty, ary satria tsy nanan-janaka iry, dia navelany ho an’ ny rahalahiny ny vadiny; | |
Matt | Mg1865 | 22:28 | Ary amin’ ny fitsanganan’ ny maty, ho vadin’ iza amin’ izy fito mirahalahy moa ravehivavy? satria efa samy nanambady azy avokoa izy rehetra. | |
Matt | Mg1865 | 22:29 | Ary Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Mahadiso hevitra anareo ny tsi-fahafantaranareo ny Soratra Masìna na ny herin’ Andriamanitra. | |
Matt | Mg1865 | 22:30 | Fa amin’ ny fitsanganan’ ny maty dia tsy mba hisy hampaka-bady, na havoaka hampakarina, fa ho tahaka ny anjely any an-danitra izy. | |
Matt | Mg1865 | 22:31 | Fa ny amin’ ny fitsanganan’ ny maty, moa tsy mbola novakinareo va ny teny nataon’ Andriamanitra taminareo manao hoe: | |
Matt | Mg1865 | 22:32 | Izaho no Andriamanitr’ i Abrahama sy Andriamanitr’ isaka ary Andriamanitr’ i Jakoba? Andriamanitra tsy an’ ny maty, fa an’ ny velona. | |
Matt | Mg1865 | 22:35 | Ary ny anankiray tamin’ ireo, izay mpahay lalàna, nanontany naka fanahy Azy ka nanao hoe: | |
Matt | Mg1865 | 22:37 | Dia hoy Jesosy taminy: Tiava an’ i Jehovah Andriamanitrao amin’ ny fonao rehetra sy ny fanahinao rehetra ary ny sainao rehetra. | |
Matt | Mg1865 | 22:39 | Ary ny faharoa, izay tahaka azy ihany, dia izao: Tiava ny namanao tahaka ny tenanao. | |
Matt | Mg1865 | 22:42 | Ahoana no hevitrareo ny amin’ i Kristy? Zanak’ iza moa Izy? Hoy izy taminy: Zanak’ i Davida. | |
Matt | Mg1865 | 22:43 | Hoy Jesosy taminy: Koa nahoana ary Davida amin’ ny Fanahy no manao Azy hoe Tompo, ka manao hoe: | |
Matt | Mg1865 | 22:44 | Jehovah nilaza tamin’ ny Tompoko hoe: Mipetraha eo an-tanako ankavanana Ambara-panaoko ny fahavalonao ho eo ambanin’ ny tongotrao? | |