Site uses cookies to provide basic functionality.

OK
PSALMS
Prev Up Next
Chapter 87
Psal Mg1865 87:1  Ny naorin’ i Jehovah dia ao an-tendrombohitra masìna;
Psal Mg1865 87:2  Ny vavahadin’ i Ziona dia tian’ i Jehovah mihoatra noho ny fonenana rehetra izay an’ i Jakoba.
Psal Mg1865 87:3  Zava-malaza no anambarana anao Ry tanànan’ Andriamanitra. [Sela.]
Psal Mg1865 87:4  Hanonona an-dRahaba sy Babylona Aho ho isan’ izay mahalala ahy; Indro Filistia sy Tyro mbamin’ i Etiopia, Ity no efa teraka teo.
Psal Mg1865 87:5  Ary Ziona hilazana hoe: Ireto sy ireroa samy efa teraka teo; Ary ny Avo Indrindra no mampitoetra azy.
Psal Mg1865 87:6  Jehovah hanisa, raha manoratra ny firenena Izy: Ity no efa teraka teo. [Sela.]
Psal Mg1865 87:7  Hoy izay mihira sy mandihy: Ny loharanoko rehetra dia ao aminao.