Site uses cookies to provide basic functionality.

OK
PSALMS
Prev Up Next
Chapter 67
Psal Mg1865 67:2  Andriamanitra anie hamindra fo aminay sy hitahy anay; [Sela.] hampamirapiratra ny tavany aminay anie Izy;
Psal Mg1865 67:3  Mba ho fantatra etỳ ambonin’ ny tany ny lalanao sy ny famonjenao any amin’ ny jentilisa rehetra.
Psal Mg1865 67:4  Hidera Anao ny firenena, Andriamanitra ô; eny, hidera Anao ny firenena rehetra.
Psal Mg1865 67:5  Hifaly sy hihoby ny firenentsamy hafa, Satria mitsara marina ny firenena Hianao; ny firenen-tsamy hafa ambonin’ ny tany dia entinao. [Sela.]
Psal Mg1865 67:6  Hidera Anao ny firenena, Andriamanitra ô; eny, hidera Anao ny firenena rehetra.
Psal Mg1865 67:7  Ny tany efa nahavokatra; mitahy antsika Andriamanitra, dia Andriamanitsika.
Psal Mg1865 67:8  Mitahy antsika Andriamanitra; ary hatahotra Azy ny vazan-tany rehetra.