LUKE
Chapter 24
Luke | Mg1865 | 24:1 | Fa nony maraina koa tamin’ ny andro voalohany amin’ ny herinandro, dia nankany amin’ ny fasana izy nitondra ny zava-manitra izay efa namboariny. | |
Luke | Mg1865 | 24:4 | Ary raha mbola very hevitra tamin’ izany izy, indreo, nisy roa lahy niseho taminy nitafy fitafiana manelatrelatra. | |
Luke | Mg1865 | 24:5 | Ary nony natahotra izy ka niankohoka, dia hoy izy roa lahy taminy: Nahoana no ato amin’ ny maty no itadiavanareo ny velona? | |
Luke | Mg1865 | 24:6 | Tsy ato Izy fa efa nitsangana; tsarovy ny teny izay nataony taminareo, fony Izy mbola tany Galilia, hoe: | |
Luke | Mg1865 | 24:7 | Ny Zanak’ olona tsy maintsy hatolotra eo an-tànan’ ny mpanota ka hohomboana amin’ ny hazo fijaliana ary hitsangana amin’ ny andro fahatelo. | |
Luke | Mg1865 | 24:9 | Ary niverina niala tamin’ ny fasana izy, dia nilaza izany rehetra izany tamin’ ny iraika ambin’ ny folo lahy sy ny namany rehetra. | |
Luke | Mg1865 | 24:10 | Teo Maria Magdalena sy Johana ary Maria, renin’ i Jakoba; ary ny vehivavy sasany izay naman’ ireo koa dia nilaza izany tamin’ ny Apostoly. | |
Luke | Mg1865 | 24:12 | Fa Petera nitsangana, dia nihazakazaka nankany amin’ ny fasana; ary niondrika izy ka nahita ny lambam-paty mipetraka mitokana; dia lasa nody izy sady gaga noho ny zavatra izay tonga teo. | |
Luke | Mg1865 | 24:13 | Ary, indreo, nisy roa lahy tamin’ ireny nandeha tamin’ izany andro izany hankany amin’ ny vohitra atao hoe Emaosy, tokony ho enim-polo stadio raha any Jerosalema. | |
Luke | Mg1865 | 24:15 | Ary raha mbola niresaka sy niara-nisaina izy, dia nanatona Jesosy ka niaraka taminy. | |
Luke | Mg1865 | 24:17 | Ary hoy Izy taminy: Ahoana izao teny resahinareo etỳ am-pandehanana izao? Dia nijanona ireo sady nalahelo tarehy. | |
Luke | Mg1865 | 24:18 | Ary ny anankiray, izay atao hoe Kleopasy, namaly ka nanao taminy hoe: Hianao irery va no vahiny mitoetra any Jerosalema tsy mba mahalala izay zavatra tonga tao tamin’ izao andro izao? | |
Luke | Mg1865 | 24:19 | Fa hoy Izy taminy: Zavatra manao ahoana moa izany? Ary hoy izy roa lahy taminy: Ny amin’ i Jesosy avy any Nazareta, mpaminany mahery tamin’ ny asa sy ny teny teo anatrehan’ Andriamanitra sy ny vahoaka rehetra, | |
Luke | Mg1865 | 24:20 | dia ny amin’ ny nanoloran’ ny lohan’ ny mpisorona sy ny mpanapaka eto amintsika Azy hanamelohany Azy ho faty, sy ny nanomboany Azy tamin’ ny hazo fijaliana. | |
Luke | Mg1865 | 24:21 | Nefa nantenainay fa Izy no Ilay efa hanavotra ny Isiraely; ary tsy izany ihany, fa androany no andro fahatelo hatr’ izay nahatongavan’ izany. | |
Luke | Mg1865 | 24:22 | Nefa kosa ny vehivavy sasany izay namanay nahahavery hevitra anay, fa tany amin’ ny fasana maraina koa izy, | |
Luke | Mg1865 | 24:23 | ary raha tsy nahita ny faty izy, dia tonga ka nilaza fa efa nahita anjely niseho kosa, izay nilaza fa velona Izy. | |
Luke | Mg1865 | 24:24 | Dia nandeha ny sasany izay nomba anay ka nankany amin’ ny fasana, ary nahita araka izay nolazain’ ny vehivavy; nefa Izy tsy hitany. | |
Luke | Mg1865 | 24:25 | Ary hoy Izy taminy: Ry adala sy votsa saina ka tsy mino izay rehetra nolazain’ ny mpaminany. | |
Luke | Mg1865 | 24:27 | Dia nanomboka hatramin’ i Mosesy sy ny mpaminany rehetra Izy, ka nanambara taminy ny hevitry ny teny milaza Azy ao amin’ ny Soratra Masìna rehetra. | |
Luke | Mg1865 | 24:28 | Ary efa mby teo akaikin’ ny vohitra izay efa halehan’ izy roa lahy izy, ary Jesosy toa nanao handeha lavitra kokoa. | |
Luke | Mg1865 | 24:29 | Fa ireo nanery Azy ka nanao hoe: Mitoera atỳ aminay; fa efa ho hariva izao, ka lasan-davitra ny andro. Dia niditra hitoetra tao aminy Izy. | |
Luke | Mg1865 | 24:30 | Ary raha niara-nipetraka nihinana teo aminy Izy, dia nandray ny mofo ka nisaotra, dia namaky sy nanolotra azy. | |
Luke | Mg1865 | 24:32 | Dia niresaka hoe izy: Tsy nangorakoraka va ny fontsika, raha niresaka tamintsika teny an-dalana Izy ka namoaka ny hevitry ny Soratra Masìna tamintsika? | |
Luke | Mg1865 | 24:33 | Dia niainga tamin’ izany ora izany izy roa lahy ka niverina nankany Jerosalema, ary nahita ny iraika ambin’ ny folo lahy mbamin’ izay nomba azy tafangona teo | |
Luke | Mg1865 | 24:34 | sady nilaza hoe: Efa nitsangana marina tokoa ny Tompo ka efa niseho tamin’ i Simona. | |
Luke | Mg1865 | 24:35 | Ary ireo kosa dia nilaza izay efa niseho teny an-dalàna sy ny nahafantarany Azy tamin’ ny namakiana ny mofo. | |
Luke | Mg1865 | 24:36 | Ary raha mbola nilaza izany izy, Jesosy dia nitsangana teo afovoany ka nanao taminy hoe: Fiadanana ho anareo. | |
Luke | Mg1865 | 24:38 | Nefa hoy Jesosy taminy: Nahoana no taitra ianareo? ary nahoana no miahanahana ny fonareo? | |
Luke | Mg1865 | 24:39 | Izahao ny tanako sy ny tongotro, fa Izaho no Izy; tsapao Aho, ka jereo, fa ny matoatoa tsy mba manana nofo sy taolana, tahaka izao ahitanareo Ahy izao. | |
Luke | Mg1865 | 24:41 | Ary raha mbola tsy nino ihany izy ireo noho ny hafaliana sady mbola talanjona, dia hoy Jesosy taminy: Manan-kanina va ianareo? | |
Luke | Mg1865 | 24:44 | Dia hoy Izy taminy: Izao no teniko izay nolazaiko taminareo, fony mbola tao aminareo Aho, fa tsy maintsy ho tanteraka izay rehetra nanoratana Ahy teo amin’ ny lalàn’ i Mosesy sy ny mpaminany ary ny Salamo. | |
Luke | Mg1865 | 24:46 | Ary hoy Izy taminy: Izany no voasoratra, fa Kristy hiaritra ka hitsangana amin’ ny maty amin’ ny andro fahatelo; | |
Luke | Mg1865 | 24:47 | ary mba hotorina amin’ ny anarany ny fibebahana sy ny famelan-keloka amin’ ny firenena rehetra, manomboka eto Jerosalema. | |
Luke | Mg1865 | 24:49 | Ary, indro, Izaho mampitondra ny teny fikasan’ ny Raiko ho anareo; fa mitoera eto an-tanàna mandra-panafiana anareo amin’ ny hery avy any amin’ ny avo. | |
Luke | Mg1865 | 24:50 | Ary Jesosy nitondra azy hatrany Betania, dia nanandratra ny tànany ka nitso-drano azy. | |
Luke | Mg1865 | 24:51 | Ary raha mbola nitso-drano azy Izy, dia nisaraka taminy ka nakarina ho any an-danitra. | |