Site uses cookies to provide basic functionality.

OK
PSALMS
Prev Up Next Toggle notes
Chapter 122
Psal Mg1865 122:1  Faly aho, raha hoy izy ireo tamiko: Andeha isika ho any an-tranon’ i Jehovah.
Psal Mg1865 122:2  Ny tongotray efa mijoro Eo anatin’ ny vavahadinao, ry Jerosalema ô,
Psal Mg1865 122:3  Dia ianao ry Jerosalema, izay efa vita Tahaka ny tanàna efa voalamina tsara;
Psal Mg1865 122:4  Any no iakaran’ ny firenena, Dia ireo firenen’ i Jehovah (Lalàna amin’ ny Isiraely izany). Mba hisaotra ny anaran’ i Jehovah.
Psal Mg1865 122:5  Fa any no misy seza fitsarana mipetraka, Dia ny seza fiandrianan’ ny mpianakavin’ i Davida.
Psal Mg1865 122:6  Mangataha fiadanana ho an’ i Jerosalema; Hambinina anie izay tia anao;
Psal Mg1865 122:7  Fiadanana anie ho ao anatin’ ny mandanao; Fanambinana anie ho ao an-dapanao
Psal Mg1865 122:8  Noho ny rahalahiko sy ny namako No hanaovako hoe Fiadanana anie ho ao anatinao.
Psal Mg1865 122:9  Noho ny tranon’ i Jehovah Andriamanitsika Dia hitady izay hahatsara anao aho.