Site uses cookies to provide basic functionality.

OK
PSALMS
Prev Up Next
Chapter 8
Psal Mg1865 8:2  Jehovah, Tomponay ô, endrey ny voninahitry ny anaranao amin’ ny tany rehetra! nataonao eny amin’ ny lanitra ny voninahitrao.
Psal Mg1865 8:3  Avy amin’ ny vavan’ ny ankizy madinika sy ny minono no nanorenanao hery noho ny mpandrafy Anao, mba hampanginanao ny fahavalo sy izay ta-hamaly ratsy.
Psal Mg1865 8:4  Raha jereko ny lanitrao, izay asan’ ny rantsan-tananao, sy ny volana aman-kintana, izay noforoninao,
Psal Mg1865 8:5  Inona moa ny olona, no ahatsiarovanao azy? Ary ny zanak’ olombelona, no amangianao azy?
Psal Mg1865 8:6  Fa efa nataonao ambany kely noho Andriamanitra izy, ary efa nosatrohanao voninahitra sy fiandrianana.
Psal Mg1865 8:7  Efa nampanjakainao amin’ ny asan’ ny tananao izy; ny zavatra rehetra dia efa nataonao eo ambanin’ ny tongony,
Psal Mg1865 8:8  Dia ny ondry aman’ osy sy ny omby rehetra, ary ny bibidia koa,
Psal Mg1865 8:9  Mbamin’ ny voro-manidina sy ny hazandrano any an-dranomasina, izay mandeha amin’ ny lalan-dranomasina.
Psal Mg1865 8:10  Jehovah Tomponay ô, endrey ny voninahitry ny anaranao amin’ ny tany rehetra!