Site uses cookies to provide basic functionality.

OK
PSALMS
Prev Up Next Toggle notes
Chapter 99
Psal Mg1865 99:1  Jehovah no Mpanjaka aoka hangovitra ny firenena; Mipetraka amin’ ny kerobima Izy, aoka hihorohoro ny tany.
Psal Mg1865 99:2  Lehibe any Ziona Jehovah; Ary avo ambonin’ ny firenena rehetra Izy.
Psal Mg1865 99:3  Aoka hidera ny anaranao lehibe sy mahatahotra ireo; Fa masìna Jehovah.
Psal Mg1865 99:4  Ny herin’ ny mpanjaka dia tia rariny; Ampitoerinao ny fahitsiana; Fitsarana sy fahamarinana no ataonao eo amin’ i Jakoba.
Psal Mg1865 99:5  Manandrata an’ i Jehovah Andriamanitsika ianareo, Ka miankohofa eo amin’ ny fitoeran-tongony; Fa masìna Izy.
Psal Mg1865 99:6  Mosesy sy Arona tamin’ ny mpisorony, Ary Samoela tamin’ izay mpiantso ny anarany, Niantso an’ i Jehovah ireo, ary namaly: azy Izy.
Psal Mg1865 99:7  Niteny taminy tao anatin’ ny andri-rahona Izy; Nitandrina ny teni-vavolombelony izy ireo, Dia ny didy izay efa nomeny azy.
Psal Mg1865 99:8  Jehovah Andriamanitray ô, Hianao no namaly ny nataony; Andriamanitra, Mpamela ny helony, Hianao, Na dia namaly azy noho ny nataony aza.
Psal Mg1865 99:9  Asandrato Jehovah Andriamanitsika, Ary miankohofa eo an-tendrombohiny masìna; Fa masìna Jehovah Andriamanitsika.