Site uses cookies to provide basic functionality.

OK
MATTHEW
Prev Up Next
Chapter 13
Matt Mg1865 13:1  Ary tamin’ izany andro izany dia nivoaka avy tao an-trano Jesosy ka nipetraka teo amoron’ ny ranomasina.
Matt Mg1865 13:2  Ary nisy vahoaka betsaka tafangona teo aminy, dia niditra teo an-tsambokely Izy ka nipetraka; ary ny vahoaka rehetra kosa dia teny amoron-dranomasina.
Matt Mg1865 13:3  Ary nilaza zavatra maro taminy tamin’ ny fanoharana Izy ka nanao hoe: Indro, nivoaka ny mpamafy mba hamafy;
Matt Mg1865 13:4  ary raha namafy izy, ny sasany dia voafafy teny amoron-dalana; dia avy ny vorona ka nandany azy.
Matt Mg1865 13:5  Ary ny sasany dia voafafy teny amin’ ny tany marivo ambony vatolampy; dia nalaky nitrebona ireny, satria tsy nisy tany lalina.
Matt Mg1865 13:6  Fa rehefa niposaka ny masoandro, dia nalazo ireny, ary satria tsy nanam-paka, dia maty izy.
Matt Mg1865 13:7  Ary ny sasany dia voafafy teny amin’ ny tsilo; ary ny tsilo naniry ka nangeja azy.
Matt Mg1865 13:8  Ary ny sasany dia voafafy teny amin’ ny tany tsara, dia namoa: ny sasany avy zato heny, ary ny sasany avy enim-polo heny, ary ny sasany avy telo-polo heny.
Matt Mg1865 13:10  Ary dia nanatona ny mpianany ka nanao taminy hoe: Nahoana no fanoharana no itenenanao aminy?
Matt Mg1865 13:11  Ary namaly Izy ka nanao taminy hoe: Satria ianareo no navela hahalala ny zava-miafina ny amin’ ny fanjakan’ ny lanitra, fa ireny kosa tsy mba navela.
Matt Mg1865 13:12  Fa izay manana no homena, ka hanana be dia be izy; fa izay tsy manana kosa, na izay ananany aza dia hesorina aminy.
Matt Mg1865 13:13  Ary noho izany dia fanoharana no itenenako aminy: satria mijery izy, fa tsy mahita; ary mandre izy, fa tsy mihaino, na mahalala.
Matt Mg1865 13:14  Dia tanteraka aminy ny faminanian’ Isaia, izay manao hoe: Handre mandrakariva ihany ianareo, fa tsy hahafantatra: Ary hijery mandrakariva ihany ianareo, fa tsy hahita;
Matt Mg1865 13:15  Fa efa adala ny fon’ izao olona izao. Ary efa lalodalovana ny sofiny, Ary efa nakimpiny ny masony, Fandrao hahita ny masony, Sy handre ny sofiny, Ka hahalala ny fony, Dia hibebaka izy, Ka hahasitrana azy Aho..
Matt Mg1865 13:16  Fa sambatra ny masonareo, fa mahita, ary ny sofinareo, fa mandre.
Matt Mg1865 13:17  Fa lazaiko aminareo marina tokoa fa maro ny mpaminany sy ny olona marina naniry hahita izay hitanareo, nefa tsy mba nahita; ary naniry handre izay renareo, nefa tsy mba nandre.
Matt Mg1865 13:18  Koa amin’ izany dia henoinareo ny fanoharana ny amin’ ny mpamafy:
Matt Mg1865 13:19  Raha misy mandre ny tenin’ ny fanjakana, fa tsy mahalala, dia avy ilay ratsy ka manaisotra izay nafafy tao am-pony. Dia izany no ilay nafafy teny amoron-dalana.
Matt Mg1865 13:20  Fa ilay nafafy teny amin’ ny tany marivo ambony vatolampy dia izay mandre ny teny ka malaky mandray azy amin’ ny hafaliana;
Matt Mg1865 13:21  nefa tsy manam-paka ao anatiny izy, fa maharitra vetivety foana; koa raha avy izay fahoriana na fanenjehana noho ny teny, dia malaky tafintohina izy.
Matt Mg1865 13:22  Ary ilay nafafy teny amin’ ny tsilo dia izay mandre ny teny ary ny fiahiahiana izao fiainana izao sy ny fitaky ny harena mangeja ny teny, ka dia tsy mamoa izy.
Matt Mg1865 13:23  Fa ilay nafafy teny amin’ ny tany tsara kosa dia izay mandre ny teny ka mahalala; dia izy no mamoa ka vokatra: ny sasany avy zato heny ary ny sasany avy enim-polo heny, ary ny sasany avy telo-polo heny.
Matt Mg1865 13:24  Ary nanao fanoharana hafa koa taminy Izy ka nanao hoe: Ny fanjakan’ ny lanitra dia tahaka ny lehilahy anankiray izay namafy voa tsara tany an-tanimbariny;
Matt Mg1865 13:25  fa raha natory ny olona, dia avy ny fahavalony ka namafy voan-tsimparifary teny amin’ ny vary, dia lasa nandeha.
Matt Mg1865 13:26  Ary rehefa naniry ny vary ka niteraka dia niposaka koa ny tsimparifary.
Matt Mg1865 13:27  Dia avy ny mpanompon-dralehilahy ka nanao taminy hoe: Tompoko, tsy voa tsara va no nafafinao tany an-tanimbarinao? koa avy taiza kosa ny tsimparifary? Dia hoy izy taminy:
Matt Mg1865 13:28  Fahavalo no nanao izany. Ary ny mpanompony nanao taminy hoe: Koa tianao va handehananay hanongotra sy hanangona azy?
Matt Mg1865 13:29  Fa hoy izy: Tsia, fandrao, raha manongotra ny tsimparifary ianareo, dia hongotanareo miaraka aminy koa ny vary.
Matt Mg1865 13:30  Aoka ihany hiara-maniry izy roroa ambara-pihavin’ ny fararano; ary amin’ ny fararano dia holazaiko amin’ ny mpijinja hoe: Angony aloha ny tsimparifary, ka ataovy amboarany mba hodorana; fa ny vary dia taomy ho any an-tsompitro.
Matt Mg1865 13:31  Ary nanao fanoharana hafa koa taminy Izy ka nanao hoe: Ny fanjakan’ ny lanitra dia tahaka ny voan-tsinapy izay nalain’ olona ka nafafiny tany an-tsahany;
Matt Mg1865 13:32  fa kely noho ny voa rehetra izy, kanefa rehefa maniry, dia lehibe noho ny anana ka tonga hazo, dia avy ny voro-manidina ka mitoetra ao amin’ ny rantsany.
Matt Mg1865 13:33  Ary nanao fanoharana hafa koa taminy Izy hoe: Ny fanjakan’ ny lanitra dia tahaka ny masirasira, izay nalain’ ny vehivavy anankiray ka nataony tao amin’ ny koba intelon’ ny famarana, mandra-pahazon’ ny masirasira azy rehetra.
Matt Mg1865 13:34  Fanoharana no nilazan’ i Jesosy izany zavatra rehetra izany tamin’ ny vahoaka, ary tsy nisy nolazainy taminy, afa-tsy tamin’ ny fanoharana,
Matt Mg1865 13:35  mba hahatanteraka izay nampilazaina ny mpaminany hoe: Hiloa-bava hilaza fanoharana Aho; Hanambara zavatra izay nafenina hatrizay nanorenana izao tontolo izao Aho.
Matt Mg1865 13:36  Ary rehefa nampody ny vahoaka Jesosy, dia niditra tao an-trano Izy, ary ny mpianany nankao aminy ka nanao hoe: Lazao aminay ny hevitry ny fanoharana ny amin’ ny tsimparifary tany an-tanimbary.
Matt Mg1865 13:37  Ary namaly Izy ka nanao hoe: Ny mpamafy ny voa tsara dia ny Zanak’ olona;
Matt Mg1865 13:38  ny tanimbary dia izao tontolo izao; ny voa tsara dia ny zanaky ny fanjakana; ny tsimparifary dia ny zanak’ ilay ratsy;
Matt Mg1865 13:39  ny fahavalo izay namafy izany dia ny devoly; ny fararano dia ny fahataperan’ izao tontolo izao; ary ny mpijinja dia anjely.
Matt Mg1865 13:40  Koa tahaka ny anangonana ny tsimparifary sy andoroana azy amin’ ny afo, dia toy izany no hatao amin’ ny fahataperan’ izao tontolo izao.
Matt Mg1865 13:41  Ny Zanak’ olona haniraka ny anjeliny, ary ireny dia hanangona ka hamoaka amin’ ny fanjakany ny zavatra mahatafintohina rehetra mbamin’ izay manao meloka,
Matt Mg1865 13:42  dia hanipy azy any amin’ ny fandoroana lehibe mirehitra afo izy; any no hisy ny fitomaniana sy ny fikitroha-nify.
Matt Mg1865 13:43  Ary amin’ izany ny marina dia hamirapiratra tahaka ny masoandro any amin’ ny fanjakan’ ny Rainy. Izay manan-tsofina, aoka izy hihaino.
Matt Mg1865 13:44  Ary ny fanjakan’ ny lanitra dia tahaka ny harena nafenina tany an-tsaha, izay hitan’ olona, ka dia nafeniny; ary noho ny hafaliany dia lasa nandeha izy ka nivarotra ny fananany rehetra, dia nividy izany saha izany.
Matt Mg1865 13:45  Ary koa, ny fanjakan’ ny lanitra dia tahaka ny mpandranto anankiray izay nikatsaka vato soa;
Matt Mg1865 13:46  ary rehefa nahita vato soa iray saro-bidy izy, dia lasa nivarotra ny fananany rehetra ka nividy azy.
Matt Mg1865 13:47  Ary koa, ny fanjakan’ ny lanitra dia tahaka ny harato-tarihina, izay nalatsaka tao amin’ ny ranomasina ka nahavory ny samy hafa karazana rehetra;
Matt Mg1865 13:48  ary rehefa feno izany, dia notarihiny ho eny an-tanety, dia nipetraka ny olona ka nifantina ny tsara hataony ao an-karona, fa ny ratsy nariany.
Matt Mg1865 13:49  Dia tahaka izany no hatao amin’ ny fahataperan’ izao tontolo izao; hivoaka ny anjely ka hanavaka ny ratsy fanahy hisaraka amin’ ny marina,
Matt Mg1865 13:50  dia hatsipiny any amin’ ny fandoroana lehibe mirehitra afo izy; any no hisy ny fitomaniana sy ny fikitroha-nify.
Matt Mg1865 13:51  Efa azonareo va izany rehetra izany? Hoy ireo taminy: Eny.
Matt Mg1865 13:52  Dia hoy Izy taminy: Koa amin’ izany ary ny mpanora-dalàna rehetra izay nampianarina ho amin’ ny fanjakan’ ny lanitra dia samy tahaka ny tompon-trano, izay mamoaka avy amin’ ny firaketany zava-baovao sy ela.
Matt Mg1865 13:53  Ary rehefa vitan’ i Jesosy ireo fanoharana ireo, dia niala teo Izy.
Matt Mg1865 13:54  Ary nony tonga tany amin’ ny taniny Izy, dia nampianatra ny olona tao amin’ ny synagoga, ary talanjona ny olona ka nanao hoe: Avy taiza re no nahazoan’ ilehity izany fahendrena sy asa lehibe izany?
Matt Mg1865 13:55  Tsy Ilehity va ilay Zanaky ny mpandrafitra? Tsy Maria va no anaran’ ny reniny? Ary tsy Jakoba sy Josefa sy Simona ary Jodasy va no rahalahiny?
Matt Mg1865 13:56  Ary ny anabaviny, moa tsy eto amintsika avokoa va izy? Koa avy taiza no nahazoan’ ilehity izany zavatra rehetra izany?
Matt Mg1865 13:57  Ary tafintohina taminy izy. Fa hoy Jesosy taminy: Tsy misy mpaminany tsy hajaina, afa-tsy amin’ ny taniny sy ny mpianakaviny ihany.
Matt Mg1865 13:58  Ary tsy nanao asa lehibe maro teo Izy noho ny tsi-finoan’ ireo.