Site uses cookies to provide basic functionality.

OK
PSALMS
Prev Up Next Toggle notes
Chapter 111
Psal Mg1865 111:1  Haleloia. Hidera an’ i Jehovah amin’ ny foko rehetra aho, Eo amin’ ny fivorian’ ny marina sy ny fiangonan-dehibe.
Psal Mg1865 111:2  Lehibe ny asan’ i Jehovah, Ka dinihin’ izay rehetra mankasitraka azy.
Psal Mg1865 111:3  Madera sady malaza ny asany; Ary ny fahamarinany maharitra mandrakizay.
Psal Mg1865 111:4  Manao izay hahatsiarovana ny fahagagana ataony Izy; Miantra sy mamindra fo Jehovah.
Psal Mg1865 111:5  Nomeny hanina izay matahotra Azy; Tsarovany mandrakizay ny fanekeny.
Psal Mg1865 111:6  Ny herin’ ny asany nasehony tamin’ ny olony. Tamin’ ny nanomezany azy ny lovan’ ny jentilisa.
Psal Mg1865 111:7  Ny asan’ ny tànany dia fahamarinana sy fitsarana; Mahatoky avokoa ny didiny rehetra;
Psal Mg1865 111:8  Mitoetra mafy mandrakizay doria ireny, Fa natao tamin’ ny fahamarinana sy ny fahitsiana.
Psal Mg1865 111:9  Manatitra fanavotana ho an’ ny olony Izy; Efa nanorina ny fanekeny ho mandrakizay Izy; Masìna sy mahatahotra ny anarany.
Psal Mg1865 111:10  Ny fahatahorana an’ i Jehovah no fiandoham-pahendrena; Fahalalana tsara no ananan’ izay rehetra mankatò izany; Maharitra mandrakizay ny fiderana Azy.