Site uses cookies to provide basic functionality.

OK
PSALMS
Prev Up Next Toggle notes
Chapter 112
Psal Mg1865 112:1  Haleloia. Sambatra ny olona izay matahotra an’ i Jehovah Sady mankasitraka ny didiny indrindra.
Psal Mg1865 112:2  Hahery ambonin’ ny tany ny zanany; Hotahina ny taranaky ny marina.
Psal Mg1865 112:3  Fananana sy harena no ao an-tranony; Ary ny fahamarinany haharitra mandrakizay.
Psal Mg1865 112:4  Ao amin’ ny maizina no iposahan’ ny mazava ho an’ ny mahitsy; Mamindra fo sy miantra ary marina ireny.
Psal Mg1865 112:5  Sambatra ny olona izay miantra ka mampisambotra; Tsy mba ho resy eo am-pitsarana izy.
Psal Mg1865 112:6  Fa tsy hangozohozo mandrakizay izy; Hotsarovana mandrakizay ny marina.
Psal Mg1865 112:7  Tsy mba manahinahy hahare loza izy; Tafatoetra matoky an’ i Jehovah ny fony.
Psal Mg1865 112:8  Voatohana ny fony, ka tsy hatahotra izy, Mandra-pifaliny mahita ny amin’ ny mpandrafy azy.
Psal Mg1865 112:9  Namafy izy, eny, nanome ho an’ ny malahelo; Ny fahamarinany maharitra mandrakizay; Hisandratra amim-boninahitra ny tandrony.
Psal Mg1865 112:10  Ny ratsy fanahy hahita ka ho sosotra; Hihidy vazana izy ka ho levona; Ho foana ny fanirian’ ny ratsy fanahy.