Site uses cookies to provide basic functionality.

OK
PSALMS
Prev Up Next
Chapter 24
Psal Mg1865 24:1  An’ i Jehovah ny tany sy izay rehetra eo aminy. Izao rehetra izao sy ny mponina eo aminy.
Psal Mg1865 24:2  Fa Izy no nanorina azy tambonin’ ny ranomasina. Tambonin’ ny rano no nampitoerany azy.
Psal Mg1865 24:3  Iza no hiakatra any an-tendrombohitr’ i Jehovah? ary iza no hitoetra ao amin’ ny fitoerany masìna?
Psal Mg1865 24:4  Izay madio tanana sy mahitsy fo, izay tsy manandratra ny fanahiny ho amin’ ny lainga, na mianiana hamitaka.
Psal Mg1865 24:5  Handray fitahiana avy amin’ i Jehovah izy, ary fahamarinana avy amin’ Andriamanitry ny famonjena azy.
Psal Mg1865 24:6  Izany no taranaka mitady Azy, izay mitady ny tavanao, dia Jakoba. [Sela.]
Psal Mg1865 24:7  Asandrato ny lohanareo, ry vavahady, ary misandrata ianareo, ry varavarana fahagola, mba hidiran’ ny mpanjakan’ ny voninahitra.
Psal Mg1865 24:8  Iza izao Mpanjakan’ ny voninahitra izao? Jehovah mahery tsitoha, Jehovah mpiady mahery.
Psal Mg1865 24:9  Asandrato ny lohanareo, ry vavahady; ary manandrata ny lohanareo, ry varavarana fahagola, mba hidiran’ ny Mpanjakan’ ny voninahitra.
Psal Mg1865 24:10  Iza ary izao Mpanjakan’ ny voninahitra izao? Jehovah, Tompon’ ny maro, Izy no Mpanjakan’ ny voninahitra. [Sela.]