Site uses cookies to provide basic functionality.

OK
PSALMS
Prev Up Next
Chapter 6
Psal Mg1865 6:2  Jehovah ô, aza ny fahatezeranao no ananaranao ahy, ary aza ny fahaviniranao no amaizanao ahy.
Psal Mg1865 6:3  Mamindrà fo amiko, Jehovah ô, fa reraka aho; sitrano aho, Jehovah ô, fa mihozohozo ny taolako.
Psal Mg1865 6:4  Ny fanahiko koa dia mangovitra loatra; fa Hianao, Jehovah ô, mandra-pahoviana?
Psal Mg1865 6:5  Miverena, Jehovah ô, afaho ny fanahiko; Vonjeo aho noho ny famindram-ponao.
Psal Mg1865 6:6  Fa tsy misy fahatsiarovana Anao any amin’ ny fahafatesana, any amin’ ny fiainan-tsi-hita iza no hidera Anao?
Psal Mg1865 6:7  Efa sasatry ny misento aho; mampitsinkafona ny farafarako isan’ alina aho sady mahampo-dranomaso ny fandriako.
Psal Mg1865 6:8  Lanin’ alahelo ny masoko; efa pahina izy amin’ ny ataon’ ny mpampahory ahy rehetra.
Psal Mg1865 6:9  Mialà amiko, ianareo mpanao ratsy rehetra; fa Jehovah efa nandre ny feon’ ny fitomaniako.
Psal Mg1865 6:10  Jehovah efa nandre ny fangatahako; Jehovah no handray ny fivavahako.
Psal Mg1865 6:11  Ho menatra sy hangovitra indrindra ny fahavaloko rehetra; hihodina izy ka ho menatra tampoka.