Site uses cookies to provide basic functionality.

OK
PSALMS
Prev Up Next
Chapter 75
Psal Mg1865 75:2  Hisaoranay Hianao, Andriamanitra ô; eny, hisaoranay Hianao; fa akaiky ny anaranao; mitory ny fahagagana ataonao ny olona.
Psal Mg1865 75:3  Fa ho avy tokoa amin’ ny fotoana Aho; eny, Izaho no hitsara marina.
Psal Mg1865 75:4  Mihorohoro ny tany sy ny mponina rehetra eo aminy, nefa Izaho no nanorina ny andriny. [Sela.]
Psal Mg1865 75:5  Hoy izaho tamin’ ny mpirehareha: aza mirehareha, ary tamin’ ny ratsy fanahy: aza manandra-tandroka;
Psal Mg1865 75:6  Aza manandratra ny tandrokareo ho avo; ary aza miteny sahisahy amin’ ny fahamafian-katoka.
Psal Mg1865 75:7  Fa tsy avy any atsinanana, na avy any andrefana, na avy any atsimo, ny fisandratana.
Psal Mg1865 75:8  Fa Andriamanitra no Mpitsara; mampietry ny anankiray Izy ary manandratra ny anankiray kosa.
Psal Mg1865 75:9  Fa misy kapoaka eo an-tànan’ i Jehovah, feno divay mandroatra miharoharo zavatra iny, ka ampisotroany; eny, ny ratsy fanahy rehetra amin’ ny tany dia hitroka ny faikany.
Psal Mg1865 75:10  Fa izaho hanambara izany mandrakizay, ka hankalaza an’ Andriamanitr’ i Jakoba.
Psal Mg1865 75:11  Ary ny tandroky ny ratsy fanahy rehetra hotapahiko; fa ny tandroky ny marina kosa no hasandratra.