Site uses cookies to provide basic functionality.

OK
NUMBERS
Prev Up Next Toggle notes
Chapter 33
Numb Mg1865 33:1  Ary izao no nandehan’ ny Zanak’ Isiraely, izay nentin’ i Mosesy sy Arona nivoaka avy tany amin’ ny tany Egypta araka ny antokony.
Numb Mg1865 33:2  Dia nosoratan’ i Mosesy ny nialany araka ny nandehanany, araka ny didin’ i Jehovah; ary izao no nandehanany araka ny nialany:
Numb Mg1865 33:3  Niala tao Ramesesa Izy tamin’ ny volana voalohany, dia tamin’ ny andro fahadimy ambin’ ny folo tamin’ ny volana voalohany; nony ampitson’ ny Paska no nivoahan’ ny Zanak’ Isiraely tamin’ ny tanana avo teo imason’ ny Egyptiana rehetra.
Numb Mg1865 33:4  Fa ny Egyptiana mbola nandevina izay efa novonoin’ i Jehovah teo aminy, dia ny lahimatoa rehetra; ary ny andriamaniny dia notsarain’ i Jehovah.
Numb Mg1865 33:5  Ary nony niala tao Ramesesa ny Zanak’ Isiraely, dia nitoby tao Sokota.
Numb Mg1865 33:6  Ary nony niala tao Sokota izy, dia nitoby ao Etama, izay teo an-tsisin’ ny efitra.
Numb Mg1865 33:7  Ary nony niala tao Etama izy, dia nivily nankao Pi-hahirota, izay tandrifin’ i Balazefona, ka nitoby tandrifin’ i Migdola.
Numb Mg1865 33:8  Ary nony niala tandrifin’ i Hahirota izy, dia nandeha nita teo afovoan’ ny ranomasina ho any an-efitra, dia nandeha lalan-kateloana tany an-efitra Etama izy ka nitoby tao Mara.
Numb Mg1865 33:9  Ary nony niala tao Mara izy, dia nankany Elima; ary tao Elima dia nisy loharano roa ambin’ ny folo sy hazo rofia fito-polo, dia nitoby teo izy.
Numb Mg1865 33:10  Ary nony niala tao Elima izy, dia nitoby tao amoron’ ny Ranomasina Mena.
Numb Mg1865 33:11  Ary nony niala tao amoron’ ny Ranomasina Mena izy, dia nitoby tany an-efitra Sina.
Numb Mg1865 33:12  Ary nony niala tany an-efitra Sina izy, dia nitoby tao Dopka.
Numb Mg1865 33:13  Ary nony niala tao Dopka izy, dia nitoby tao Alosy.
Numb Mg1865 33:14  Ary nony niala tao Alosy izy, dia nitoby tao Refidima; ary tsy nisy rano tao hosotroin’ ny olona.
Numb Mg1865 33:15  Ary nony niala tao Refidima izy, dia nitoby tany an-efitr’ i Sinay.
Numb Mg1865 33:16  Ary nony niala tany an-efitr’ i Sinay izy, dia nitoby tao Kibrota-hatava.
Numb Mg1865 33:17  Ary nony niala tao Kibrota-hatava izy, dia nitoby tao Hazerota.
Numb Mg1865 33:18  Ary nony niala tao Hazerota izy, dia nitoby tao Ritma.
Numb Mg1865 33:19  Ary nony niala tao Ritma izy, dia nitoby tao Rimona-pareza.
Numb Mg1865 33:20  Ary nony niala tao Rimona-pareza izy, dia nitoby tao Libna.
Numb Mg1865 33:21  Ary nony niala tao Libna izy, dia nitoby tao Risa.
Numb Mg1865 33:22  Ary nony niala tao Risa izy, dia nitoby tao Kehelata.
Numb Mg1865 33:23  Ary nony niala tao Kehelata izy, dia nitoby tao an-tendrombohitra Sapera.
Numb Mg1865 33:24  Ary nony niala tao an-tendrombohitra Sapera izy, dia nitoby tao Harada.
Numb Mg1865 33:25  Ary nony niala tao Harada izy, dia nitoby tao Makelota.
Numb Mg1865 33:26  Ary nony niala tao Makelota izy, dia nitoby tao Tahata.
Numb Mg1865 33:27  Ary nony niala tao Tahata izy, dia nitoby tao Tera.
Numb Mg1865 33:28  Ary nony niala tao Tera izy, dia nitoby tao Mitka.
Numb Mg1865 33:29  Ary nony niala tao Mitka izy, dia nitoby tao Hasmona.
Numb Mg1865 33:30  Ary nony niala tao Hasmona izy, dia nitoby tao Moserota.
Numb Mg1865 33:31  Ary nony niala tao Moserota izy, dia nitoby tao Bene-jakana.
Numb Mg1865 33:32  Ary nony niala tao Bene-jakana izy, dia nitoby tao Hora-hagidgada.
Numb Mg1865 33:33  Ary nony niala tao Hora-hagidgada izy, dia nitoby tao Jotbata.
Numb Mg1865 33:34  Ary nony niala tao Jotbata izy, dia nitoby tao Abrona.
Numb Mg1865 33:35  Ary nony niala tao Abrona izy, dia nitoby tao Ezion-gebera.
Numb Mg1865 33:36  Ary nony niala tao Ezion-gebera izy, dia nitoby tany an-efitra Zina (Kadesy izany).
Numb Mg1865 33:37  Ary nony niala tao Kadesy izy, dia nitoby tao an-tendrombohitra Hora, tao an-tsisin’ ny tany Edoma.
Numb Mg1865 33:38  Ary Arona mpisorona niakatra tao an-tendrombohitra Hora, araka ny didin’ i Jehovah, dia maty tao izy tamin’ ny fahefa-polo taona taorian’ ny nivoahan’ ny Zanak’ Isiraely avy tany amin’ ny tany Egypta, tamin’ ny andro voalohany tamin’ ny volana fahadimy.
Numb Mg1865 33:39  Ary efa telo amby roa-polo amby zato taona Arona, raha maty tao an-tendrombohitra Hora izy.
Numb Mg1865 33:40  Ary ren’ ilay Kananita, mpanjakan’ i Arada, izay nonina teo amin’ ny tany atsimo amin’ ny tany Kanana, fa avy ny Zanak’ Isiraely.
Numb Mg1865 33:41  Ary nony niala tao an-tendrombohitra Hora izy, dia nitoby tao Zalmona.
Numb Mg1865 33:42  Ary nony niala tao Zalmona izy, dia nitoby tao Ponona.
Numb Mg1865 33:43  Ary nony niala tao Ponona izy, dia nitoby tao Obota.
Numb Mg1865 33:44  Ary nony niala tao Obota izy, dia nitoby tao Ie-abarima tao amin’ ny faritanin’ i Moaba.
Numb Mg1865 33:45  Ary nony niala tao Ie-abarima izy, dia nitoby tao Dibon-gada.
Numb Mg1865 33:46  Ary nony niala tao Dibon-gada izy, dia nitoby tao Almon-diblataima.
Numb Mg1865 33:47  Ary nony niala tao Almon-diblataima izy, dia nitoby tao amin’ ny tendrombohitra Abarima, tandrifin’ i Nebo.
Numb Mg1865 33:48  Ary nony niala tamin’ ny tendrombohitra Abarima izy, dia nitoby tao Arbota-moaba, teo amoron’ i Jordana tandrifin’ i Jeriko.
Numb Mg1865 33:49  Ary nitoby teo amoron’ i Jordana izy hatrany Betijesimota ka hatrany Abela-sitima, tao Arbota-moaba.
Numb Mg1865 33:50  Ary Jehovah niteny tamin’ i Mosesy teo Arbota-moaba, teo amoron’ i Jordana tandrifin’ i Jeriko, ka nanao hoe:
Numb Mg1865 33:51  Mitenena amin’ ny Zanak’ Isiraely hoe: Rehefa tafita an’ i Jordana ka tonga any amin’ ny tany Kanana ianareo,
Numb Mg1865 33:52  dia horoahinareo eo alohanareo ny mponina rehetra amin’ ny tany, ary horavanareo ny vato soratany rehetra, ary hosimbanareo ny sarin-javany an-idina rehetra, ary horavanareo ny fitoerana avony rehetra;
Numb Mg1865 33:53  dia halainareo ny tany, ka hitoetra eo ianareo; fa ianareo no nomeko ny tany ho zara-taninareo.
Numb Mg1865 33:54  Ary filokana no hizaranareo ny tany araka ny fokonareo avy: ny maro isa homenareo zara-tany bebe kokoa, ary ny vitsy isa homenareo kelikely kokoa; samy ao amin’ izay ivoahan’ ny filokana ho azy no ho anjarany; araka ny firenen’ ny razanareo no hahazoanareo zara-tany.
Numb Mg1865 33:55  Fa raha tsy roahinareo eo alohanareo ny mponina amin’ ny tany, dia ho lay amin’ ny masonareo sy ho tsilo amin’ ny tehezanareo izay avelanareo hitoetra eo, ka handrafy anareo eo amin’ ny tany izay onenanareo izy;
Numb Mg1865 33:56  ary hataoko aminareo izay nokasaiko hatao aminy.