Site uses cookies to provide basic functionality.

OK
PSALMS
Prev Up Next Toggle notes
Chapter 26
Psal Mg1865 26:1  Tsarao aho, Jehovah ô, fa mandeha amin’ ny fahamarinako aho; ary Jehovah no itokiako, ka tsy miahanahana aho.
Psal Mg1865 26:2  Diniho aho, Jehovah ô, ka fantaro; izahao toetra ny voako sy ny foko.
Psal Mg1865 26:3  Fa ny famindram-ponao no eo anoloan’ ny masoko; ary mandeha amin’ ny fahamarinanao aho.
Psal Mg1865 26:4  Tsy mba miara-mipetraka amin’ ny olon-dratsy aho, na manan-draharaha amin’ ny olom-petsy.
Psal Mg1865 26:5  Halako ny fiangonan’ ny mpanao ratsy; ary tsy miara-mipetraka amin’ ny ratsy fanahy aho.
Psal Mg1865 26:6  Manasa ny tanako noho ny fahamarinako aho, ka te-hitoetra eo akaikin’ ny alitaranao, Jehovah ô,
Psal Mg1865 26:7  Mba hanao feo fiderana, ka hilaza ny asanao mahagaga rehetra.
Psal Mg1865 26:8  Jehovah ô, tiako ny trano itoeranao, dia ny fonenan’ ny voninahitrao.
Psal Mg1865 26:9  Aza mitondra ny fanahiko hiara-maty amin’ ny mpanota, na ny aiko amin’ ny mpandatsa-drà,
Psal Mg1865 26:10  Izay misy fitaka eny an-tànany, ary feno kolikoly ny tànany ankavanana.
Psal Mg1865 26:11  Fa izaho kosa dia mandeha amin’ ny fahamarinako; avoty sy amindrao fo aho.
Psal Mg1865 26:12  Ny tongotro mijoro eo amin’ ny tany marina; eo am-piangonana no isaorako an’ i Jehovah.