Site uses cookies to provide basic functionality.

OK
PSALMS
Prev Up Next Toggle notes
Chapter 97
Psal Mg1865 97:1  Jehovah no Mpanjaka, aoka ho faly ny tany; Aoka ho ravoravo ny nosy maro.
Psal Mg1865 97:2  Rahona sy aizim-pito no manodidina Azy Fahamarinana sy fitsarana no fanorenan’ ny seza fiandrianany.
Psal Mg1865 97:3  Misy afo mialoha Azy ka mandevona ny fahavalony manodidina.
Psal Mg1865 97:4  Mahazava izao tontolo izao ny helany; Mahita izany ny tany ka mihorohoro.
Psal Mg1865 97:5  Ny tendrombohitra miempo tahaka ny savoka eo anatrehan’ i Jehovah, Dia eo anatrehan’ ny Tompon’ ny tany rehetra.
Psal Mg1865 97:6  Ny lanitra maneho ny fahamarinany, Ary ny firenena rehetra mahita ny voninahiny.
Psal Mg1865 97:7  Aoka ho menatra izay rehetra manompo sarin-javatra voasokitra sy miarahaba tena ny amin’ ny andriamani-tsi-izy; Miankohofa eo anoloan’ i Jehovah ianareo andriamanitra rehetra.
Psal Mg1865 97:8  Ziona mandre ka faly; Ary ravoravo ny zanakavavin’ i Joda Noho ny fitsaranao, Jehovah ô.
Psal Mg1865 97:9  Fa Hianao, Jehovah ô, no avo indrindra ambonin’ ny tany rehetra; Efa avo ambonin’ ny andriamanitra rehetra Hianao.
Psal Mg1865 97:10  Hianareo izay tia an’ i Jehovah, mankahalà ny ratsy; Miaro ny fanahin’ ny olony masìna Izy Ary mamonjy azy amin’ ny tanan’ ny ratsy fanahy.
Psal Mg1865 97:11  Ny fahazavana no voafafy ho an’ ny marina, Ary ny fifafiana ho an’ ny mahitsy fo.
Psal Mg1865 97:12  Mifalia amin’ i Jehovah, ry olo-marina, Ary miderà ny anarany masìna.