Site uses cookies to provide basic functionality.

OK
NEHEMIAH
1 2 3 4 5 6 7 8 9 10 11 12 13
Prev Up Next Toggle notes
Chapter 7
Nehe Mg1865 7:1  Ary nony vita ny manda, ka voalatsako ny lela-vavahady, sady voatendry ny mpiandry varavarana sy ny mpihira ary ny Levita,
Nehe Mg1865 7:2  dia notendreko Hanany rahalahiko sy Hanania, lehiben’ ny tao an-dapa, hitandrina an’ i Jerosalema, fa lehilahy mahatoky izy sady matahotra an’ Andriamanitra mihoatra noho ny maro.
Nehe Mg1865 7:3  Koa hoy izaho tamin’ ireo: Aza avela hovohana ny vavahadin’ i Jerosalema mandra-pahafanan’ ny andro; ary raha mbola milanona eo ny mpiambina, dia aoka harindriny ny varavarana, ka hidionareo; ary manendre mpiambina avy amin’ izay monina ato Jerosalema ihany samy ho eo amin’ ny fiambenany avy, dia samy ho eo amin’ ny tandrifin’ ny tranony avy.
Nehe Mg1865 7:4  Ary malalaka sy lehibe ny tanàna, nefa vitsy olona, sady tsy mbola vita ny trano.
Nehe Mg1865 7:5  Ary nomen’ Andriamanitro hevitra aho hamory ny manan-kaja sy ny mpanapaka mbamin’ ny vahoaka, mba halaina isa araka ny firazanany avy ireo. Ary hitako ny taratasy filazana ny firazanan’ izay niakatra voalohany, ka izao no hitako voasoratra tao:
Nehe Mg1865 7:6  Izao no lehilahy amin’ izany tany izany, izay niakatra avy tamin’ ny fahababoana, dia ireo nobaboin’ i Nebokadnezara, mpanjakan’ i Babylona, fa niverina tany Jerosalema sy Joda izy, samy ho any an-tanànany avy,
Nehe Mg1865 7:7  dia ny olona izay niaraka tamin’ i Zerobabela sy Jesoa sy Nehemia sy Azaria sy Ramia sy Nahanany sy Mordekay sy Bilsana sy Mispereta sy Bigvay sy Nehoma ary Bana: Ary ny isan’ ny lehilahy tamin’ ny Isiraely dia izao:
Nehe Mg1865 7:8  Ny taranak’ i Parosy dia roa amby fito-polo amby zato sy roa arivo;
Nehe Mg1865 7:9  ny taranak’ i Sefatia dia roa amby fito-polo amby telon-jato;
Nehe Mg1865 7:10  ny taranak’ i Ara dia roa amby dimam-polo amby enin-jato;
Nehe Mg1865 7:11  ny taranak’ i Pahatamoaba, dia avy tamin’ ny zanak’ i Jesoa sy Joaba, dia valo ambin’ ny folo amby valon-jato sy roa arivo;
Nehe Mg1865 7:12  ny taranak’ i Elama dia efatra amby dimam-polo amby roan-jato sy arivo;
Nehe Mg1865 7:13  ny taranak’ i Zato dia dimy amby efa-polo amby valon-jato;
Nehe Mg1865 7:14  ny taranak’ i Zakay dia enim-polo amby fiton-jato;
Nehe Mg1865 7:15  ny taranak’ i Binoy dia valo amby efa-polo amby enin-jato;
Nehe Mg1865 7:16  ny taranak’ i Bebay dia valo amby roa-polo amby enin-jato;
Nehe Mg1865 7:17  ny taranak’ Azgada dia roa amby roa-polo amby telon-jato amby roa arivo;
Nehe Mg1865 7:18  ny zanak’ i Adonikama dia fito amby enim-polo amby enin-jato;
Nehe Mg1865 7:19  ny taranak’ i Bigvay dia fito amby enim-polo sy roa arivo;
Nehe Mg1865 7:20  ny taranak’ i Adina dia dimy amby dimam-polo amby enin-jato;
Nehe Mg1865 7:21  ny taranak’ i Atera, avy tamin’ i Hezekia, dia valo amby sivi-folo;
Nehe Mg1865 7:22  ny taranak’ i Hasoma dia valo amby roa-polo amby telon-jato;
Nehe Mg1865 7:23  ny taranak’ i Bezay dia efatra amby roa-polo amby telon-jato;
Nehe Mg1865 7:24  ny taranak’ i Harifa dia roa ambin’ ny folo amby zato;
Nehe Mg1865 7:25  ny taranak’ i Gibeona dia dimy amby sivi-folo.
Nehe Mg1865 7:26  Ny mponina tany Betlehema sy Netofa dia valo amby valo-polo amby zato;
Nehe Mg1865 7:27  ny mponina tany Anatota dia valo amby roa-polo amby zato;
Nehe Mg1865 7:28  ny mponina tany Bet-azmaveta dia roa amby efa-polo;
Nehe Mg1865 7:29  ny mponina tany Kiriata-jearima sy Kefira ary Berota dia telo amby efa-polo amby fiton-jato;
Nehe Mg1865 7:30  ny mponina tany Rama sy Geva dia iraika amby roa-polo amby enin-jato;
Nehe Mg1865 7:31  ny mponina tany Mikmasy dia roa amby roa-polo amby zato;
Nehe Mg1865 7:32  ny mponina tany Betela sy Ay dia telo amby roa-polo amby zato;
Nehe Mg1865 7:33  ny mponina tany amin’ ilay Nebo anankiray dia roa amby dimam-polo;
Nehe Mg1865 7:34  ny zanak’ ilay Elama anankiray dia efatra amby dimam-polo amby roan-jato sy arivo;
Nehe Mg1865 7:35  ny zanak’ i Harima dia roa-polo amby telon-jato;
Nehe Mg1865 7:36  ny zanak’ i Jeriko dia dimy amby efa-polo amby telon-jato;
Nehe Mg1865 7:37  ny zanak’ i Loda sy Hadida ary Ono dia iraika amby roa-polo amby fiton-jato;
Nehe Mg1865 7:38  ny zanak’ i Sena dia telo-polo amby sivin-jato sy telo arivo.
Nehe Mg1865 7:39  Ary ny mpisorona koa dia izao: Ny taranak’ i Jedaia, avy tamin’ ny mpianakavin’ i Jesoa, dia telo amby fito-polo amby sivin-jato;
Nehe Mg1865 7:40  ny taranak’ Imera, dia roa amby dimam-polo amby arivo;
Nehe Mg1865 7:41  ny taranak’ i Pasora dia fito amby efa-polo amby roan-jato sy arivo;
Nehe Mg1865 7:42  ny taranak’ i Harima dia fito ambin’ ny folo sy arivo.
Nehe Mg1865 7:43  Ary ny Levita koa dia izao: Ny zanak’ i Jesoa sy Kadmiela, avy tamin’ ny zanak’ i Hodavia, dia efatra amby fito-polo.
Nehe Mg1865 7:44  Ary ny mpihira koa dia izao: Ny taranak’ i Asafa dia valo amby efa-polo amby zato.
Nehe Mg1865 7:45  Ary ny mpiandry varavarana koa dia izao: Ny taranak’ i Saloma, ny taranak’ i Atera, ny taranak’ i Talmona, ny taranak’ i Akoba, ny taranak’ i Hatita, ny taranak’ i Sobay, dia valo amby telo-polo amby zato.
Nehe Mg1865 7:46  Ary ny Netinima koa dia izao: Ny taranak’ i Ziha, ny taranak’ i Hasofa, ny taranak’ i Tabaota,
Nehe Mg1865 7:47  ny taranak’ i Kerosa, ny taranak’ i Sia, ny taranak’ i Padona,
Nehe Mg1865 7:48  ny taranak’ i Lebana, ny taranak’ i Hagaba, ny taranak’ i Salmay,
Nehe Mg1865 7:49  ny taranak’ i Hanana, ny taranak’ i Gidela, ny taranak’ i Gahara,
Nehe Mg1865 7:50  ny taranak’ i Reaia, ny taranak’ i Rezina, ny taranak’ i Nekoda,
Nehe Mg1865 7:51  ny taranak’ i Gazama, ny taranak’ i Oza, ny taranak’ i Pasea,
Nehe Mg1865 7:52  ny taranak’ i Besay, ny taranaky ny Meonita, ny taranaky ny Nefisita,
Nehe Mg1865 7:53  ny taranak’ i Bakboka, ny taranak’ i Hakafa, ny taranak’ i Harora,
Nehe Mg1865 7:54  ny taranak’ i Bazlita, ny taranak’ i Mehida, ny taranak’ i Harsa,
Nehe Mg1865 7:55  ny taranak’ i Barkosa, ny taranak’ i Sisera, ny taranak’ i Tema,
Nehe Mg1865 7:57  Ary ny taranaky ny mpanompon’ i Solomona koa dia izao: Ny taranak’ i Sotahy, ny taranak’ i Sofereta, ny zanak’ i Perida,
Nehe Mg1865 7:58  ny taranak’ i Jala, ny taranak’ i Darkona, ny taranak’ i Gidela,
Nehe Mg1865 7:59  ny taranak’ i Sefatia, ny taranak’ i Hatila, ny taranak’ i Pokereta-hazebaima, ny taranak’ i Amona.
Nehe Mg1865 7:60  Ny Netinima rehetra sy ny taranaky ny mpanompon’ i Solomona dia roa amby sivi-folo amby telon-jato.
Nehe Mg1865 7:61  Ary izao no niakatra avy tany Tela-mela sy Tela-harsa sy Kerofa sy Adona ary Imera (fa tsy nahalaza ny fianakaviany sy ny firazanany, na avy tamin’ ny Isiraely na tsia, izy):
Nehe Mg1865 7:62  ny taranak’ i Delaia, ny taranak’ i Tobia, ny taranak’ i Nekoda, roa amby efa-polo amby enin-jato.
Nehe Mg1865 7:63  Ary ny avy tamin’ ny mpisorona dia izao: Ny taranak’ i Hobaia, ny taranak’ i Hakoza, ny taranak’ i Barzilay; nampaka-bady avy tamin’ ny zanakavavin’ i Barzilay Gileadita io ka notononina araka ny anarany.
Nehe Mg1865 7:64  Ireo dia nitady ny soratra filazana ny razany, fa tsy hita izany; dia natao ho tsy madio izy ka nesorina tamin’ ny fisoronana.
Nehe Mg1865 7:65  Ary ny governora nilaza fa tsy mahazo mihinana ny zava-masìna indrindra izy mandra-pitsangan’ izay mpisorona anankiray mitondra ny Orima sy Tomima.
Nehe Mg1865 7:66  Ny tontalin’ ny olona rehetra dia enim-polo amby telon-jato amby roa arivo sy efatra alina,
Nehe Mg1865 7:67  afa-tsy ny ankizilahiny sy ny ankizivaviny fito amby telo-polo amby telon-jato sy fito arivo; ary nanana mpihiralahy sy mpihiravavy dimy amby efa-polo amby roan-jato izy;
Nehe Mg1865 7:68  ny soavaliny dia enina amby telo-polo amby fiton-jato; ny ampondrany dia dimy amby efa-polo amby roan-jato;
Nehe Mg1865 7:69  ny ramevany dia dimy amby telo-polo amby efa-jato; ny borikiny dia roa-polo amby fiton-jato sy enina arivo.
Nehe Mg1865 7:70  Ary ny sasany tamin’ ny lohan ny fianakaviana dia nahafoy hanaovana ny asa. Ny governora nanome darika volamena arivo sy lovia famafazana dimam-polo sy akanjo-mpisorona telo-polo amby dimam-jato ho ao amin’ ny rakitra.
Nehe Mg1865 7:71  Ary ny sasany tamin’ ny lohan’ ny fianakaviana dia nanome darika volamena roa alina sy mane volafotsy roan-jato sy roa arivo ho ao amin’ ny rakitra hanaovana ny asa.
Nehe Mg1865 7:72  Ary izay nomen’ ny olona sisa dia darika volamena roa alina sy mane volafotsy roa arivo ary akanjo-mpisorona fito amby enim-polo.
Nehe Mg1865 7:73  Ary samy tafapetraka teny an-tanànany avy ny mpisorona sy ny Levita sy ny mpiandry varavarana sy ny mpihira sy ny sasany amin’ ny vahoaka ary ny Netinima, dia ny Isiraely rehetra.