Site uses cookies to provide basic functionality.

OK
PSALMS
Prev Up Next
Chapter 56
Psal Mg1865 56:2  Mamindrà fo amiko, Andriamanitra ô, fa misafoaka manenjika ahy ny olona; miady amiko mandrakariva izy ka mampahory ahy.
Psal Mg1865 56:3  Misafoaka manenjika mandrakariva ny mpampahory ahy; maro tokoa no mirehareha miady amiko.
Psal Mg1865 56:5  Andriamanitra no iderako ny teniny; Andriamanitra no itokiako, ka tsy mba hatahotra aho; inona no hataon’ ny nofo amiko?
Psal Mg1865 56:6  Manimba ny raharahako mandra-kariva ireny; ny heviny rehetra dia ny hanisy ratsy ahy ihany.
Psal Mg1865 56:7  Miangona izy, miery izy, mitsongo-dia ahy izy, satria mikendry ny aiko.
Psal Mg1865 56:8  Amin’ izany faharatsiany izany moa hisy hahafahany va? Aripaho amin’ ny fahatezeranao ny firenena. Andriamanitra ô.
Psal Mg1865 56:9  Manisa ny firenireneko Hianao; ataovy ao an-tavoahanginao ny ranomasoko; tsy eo amin’ ny bokinao va ireny?
Psal Mg1865 56:10  Amin’ izay dia hiamboho ny fahavaloko amin’ ny andro hiantsoako Anao; izao dia fantatro, fa momba ahy Andriamanitra.
Psal Mg1865 56:11  Andriamanitra no iderako ny teniny; Jehovah no iderako ny teniny.
Psal Mg1865 56:12  Andriamanitra no itokiako; ka tsy mba hatahotra aho; inona no hataon’ ny olona amiko?
Psal Mg1865 56:13  Nivoady taminao aho, Andriamanitra ô, dia hanatitra fanati-pisaorana ho Anao.
Psal Mg1865 56:14  Fa efa nanafaka ny fanahiko tamin’ ny fahafatesana Hianao; eny, nanafaka ny tongotro Hianao mba tsy ho solafaka. Handehanako eo anatrehan’ Andriamanitra amin’ ny fahazavan’ ny velona.