Site uses cookies to provide basic functionality.

OK
PSALMS
Prev Up Next
Chapter 65
Psal Mg1865 65:2  Ho anao ny fanginana sy ny fiderana, Andriamanitra any Ziona ô, ary aminao no anefana ny voady.
Psal Mg1865 65:3  Ry Mpihaino vavaka ô, Hianao no hohatonin’ ny nofo rehetra.
Psal Mg1865 65:4  Ny zava-mahameloka ahy dia mihoatra noho izay zakako; nefa Hianao no mamela ny fahadisoanay.
Psal Mg1865 65:5  Sambatra izay fidinao ka ampanatoninao hitoetra eo an-kianjanao; Te-ho voky ny zava-tsoa ao amin’ ny tranonao izahay dia ny zava-masìna ao amin’ ny tempolinao.
Psal Mg1865 65:6  Zava-mahatahotra no ataonao amin’ ny fahamarinana ho valin’ ny vavakay, ry Andriamanitry ny famonjena anay ô, ry tokin’ ny faran’ ny tany rehetra sy ny ranomasina eny lavitra eny.
Psal Mg1865 65:7  Mampiorina ny tendrombohitra amin’ ny heriny Izy, misikìna fahatanjahana Izy.
Psal Mg1865 65:8  Mampitsahatra ny firohondrohon’ ny onjan-dranomasina Izy, sy ny fitabataban’ ny firenena.
Psal Mg1865 65:9  Dia matahotra noho ny famantaranao ny mponina any am-paran’ ny tany; ny any amin’ ny fiposahan’ ny maraina sy ny hariva no ampihobinao.
Psal Mg1865 65:10  Mamangy ny tany Hianao ka mahamando azy; mampahavokatra azy betsaka Hianao ― Ny onin’ Andriamanitra dia tondra-drano ― Mamboatra vary ho an’ ny olona Hianao; fa izany no famboatrao ny tany.
Psal Mg1865 65:11  Mahampoka ny tany voasa Hianao ka mampiravona azy; ranonorana mivatravatra no amontosanao azy; mitahy ny fitsimohany Hianao.
Psal Mg1865 65:12  Satrohanao voninahitra ny taona fitahianao; ary ny dianao mitete menaka.
Psal Mg1865 65:13  Vonton-drano ny fiandrasana ondry any an-efitra, ary misikìna fifaliana ny havoana.
Psal Mg1865 65:14  Rakotra ondry ny saha; ary voasarona vary ny lohasaha: mihoby izy, eny, mihira koa.