Site uses cookies to provide basic functionality.

OK
PSALMS
Prev Up Next
Chapter 86
Psal Mg1865 86:1  Atongilano ny sofinao, Jehovah ô, ka valio aho, Fa ory sy malahelo.
Psal Mg1865 86:2  Arovy ny fanahiko, fa masìna aho; Andriamanitro ô, vonjeo ny mpanomponao, Izay matoky Anao.
Psal Mg1865 86:3  Tompo ô, mamindrà fo amiko; Fa Hianao no itarainako mandrakariva.
Psal Mg1865 86:4  Ampifalio ny fanahin’ ny mpanomponao; Fa Hianao, Tompo ô, no ananganako ny fanahiko.
Psal Mg1865 86:5  Fa Hianao, Tompo ô, no tsara sady mamela heloka Ary be famindram-po amin’ izay rehetra miantso Anao.
Psal Mg1865 86:6  Mandrenesa ny fivavako, Jehovah ô, Ary henoy ny feon’ ny fifonako.
Psal Mg1865 86:7  Amin’ ny andro fahoriako dia miantso Anao aho, Fa mamaly ahy Hianao.
Psal Mg1865 86:8  Tsy misy tahaka Anao, Tompo ô, amin’ ireo andriamanitra; Ary tsy misy tahaka ny asanao.
Psal Mg1865 86:9  Ny firenena rehetra nataonao dia ho avy hiankohoka eo anatrehanao, Tompo ô, Ka hanome voninahitra ny anaranao.
Psal Mg1865 86:10  Fa lehibe Hianao ka manao zava-mahagaga; Hianao irery ihany no Andriamanitra.
Psal Mg1865 86:11  Ampianaro ny lalanao aho, Jehovah ô, Dia handeha amin’ ny fahamarinanao aho; Ampiraiso ny foko hatahotra ny anaranao.
Psal Mg1865 86:12  Hidera Anao amin’ ny foko rehetra aho, Andriamanitro Tompo ô Hanome voninahitra ny anaranao mandrakizay aho.
Psal Mg1865 86:13  Fa lehibe ny famindram-ponao amiko; Ary efa novonjenao ny fanahiko tsy ho any amin’ ny fiainan-tsi-hita ambany indrindra.
Psal Mg1865 86:14  Andriamanitra ô, ny mpirehareha mitsangana hanohitra ahy, Ary ny antokon’ ny lozabe mitady ny aiko; Ary tsy mba heveriny fa eo anatrehany Hianao.
Psal Mg1865 86:15  Fa Hianao, Tompo ô, dia Andriamanitra mamindrà fo sy miantra, Mahari-po sady be famindram-po sy fahamarinana.
Psal Mg1865 86:16  Todiho aho ka amindrao fo; Omeo ny herinao ny mpanomponao, Ary vonjeo ny zanaky ny ankizivavinao.
Psal Mg1865 86:17  Anehoy famantarana ny ho soa aho, Mba ho hitan’ izay mankahala ahy, ka ho menatra izy; Fa Hianao Jehovah ô, no namonjy sy nampionona ahy.