Site uses cookies to provide basic functionality.

OK
PSALMS
Prev Up Next
Chapter 132
Psal Mg1865 132:1  Jehovah ô, tsarovy Davida Noho ny fiahiany rehetra,
Psal Mg1865 132:2  Dia ilay nianiana tamin’ i Jehovah Sy nivoady tamin’ ny Maherin’ i Jakoba hoe:
Psal Mg1865 132:3  Tsy mba hiditra ao an-daiko aho, Na hiakatra amin’ ny farafara fandriako,
Psal Mg1865 132:4  Tsy mba havelako hatory ny masoko, Na ho rendrehana ny hodimasoko,
Psal Mg1865 132:5  Mandra-pahitako fitoerana ho an’ i Jehovah. Dia fonenana ho an’ ny Maherin’ i Jakoba.
Psal Mg1865 132:6  Indro, nandre azy tany Efrata isika; Nahita azy tao amin’ ny saha anaty ala isika.
Psal Mg1865 132:7  Aoka hiditra any amin’ ny fonenany isika Ka hivavaka eo amin’ ny fitoeran-tongony.
Psal Mg1865 132:8  Mitsangàna, Jehovah ô, ho amin’ ny fitsaharanao, Dia Hianao sy ny fiaran’ ny herinao.
Psal Mg1865 132:9  Aoka ny mpisoronao hirafy fahamarinana Ary aoka ny olonao masìna hihoby.
Psal Mg1865 132:10  Noho ny amin’ i Davida mpanomponao Dia aza mampiala maina ny tavan’ ny voahosotrao.
Psal Mg1865 132:11  Jehovah efa nianiana tamin’ i Davida, Ary marina izany ka tsy hitsoahany Ny ateraky ny kibonao no hapetrako eo ambonin’ ny seza fiandriananao.
Psal Mg1865 132:12  Raha hotandreman’ ny zanakao ny fanekeko Sy ny teny vavolombeloko izay hampianariko azy, Dia hipetraka eo ambonin’ ny seza fiandriananao mandrakizay doria kosa ny zanany.
Psal Mg1865 132:13  Fa Jehovah efa nifidy an’ i Ziona. Ary naniry azy ho fonenany.
Psal Mg1865 132:14  Ity, hoy Izy, no fitsaharako mandrakizay doria; Eto no honenako, fa efa niriko ity.
Psal Mg1865 132:15  Hotahiko tokoa ny fihinana ao; Hovokisako hanina ny malahelo ao.
Psal Mg1865 132:16  Ny mpisorona ao dia hampitafiko famonjena; Ary hihoby tokoa ny olo-masìna ao.
Psal Mg1865 132:17  Ao no hampitsimohako tandroka ho an’ i Davida Sy hanamboarako jiro ho an’ ny voahosotro.
Psal Mg1865 132:18  Ny fahavalony hampitafiko henatra; Fa eo aminy kosa no hamirapiratra ny satro-boninahiny.