Site uses cookies to provide basic functionality.

OK
PSALMS
Prev Up Next
Chapter 45
Psal Mg1865 45:2  Mampiboiboika teny tsara ny foko; miteny aho, ka ny hilaza ny mpanjaka no teny ataoko; fanoratan’ ny faingan-tsoratra ny lelako.
Psal Mg1865 45:3  Tsara tarehy noho ny zanak’ olombelona ianao; fahasoavana no naidina tamin’ ny molotrao; izany no nitahian’ Andriamanitra anao mandrakizay.
Psal Mg1865 45:4  Fehezo eo am-balahanao ny sabatrao, ry ilay mahery, dia ny fiandriananao sy ny voninahitrao.
Psal Mg1865 45:5  Ary mitangena handroso soa aman-tsara amin’ ny voninahitrao, noho ny teny marina ny fahalemem-panahim-pahamamarinana; ary hampianatra anao zava-mahatsiravina ny tananao ankavanana.
Psal Mg1865 45:6  Ny zana-tsipìkanao dia voaranitra ― Firenena maro no ringana ka hitsakitsahinao ― ka mitsatoka ao am-pon’ ny fahavalon’ ny mpanjaka.
Psal Mg1865 45:7  Ny seza fiandriananao, Andriamanitra ô, dia mandrakizay doria; tehim-pahamarinana ny tehim-panjakanao.
Psal Mg1865 45:8  Tianao ny fahamarinana, fa halanao ny heloka; koa Andriamanitra, dia Andriamanitrao, efa nanoso-diloilo fifaliana anao mihoatra noho ny namanao.
Psal Mg1865 45:9  Miora sy hazo manitra ary kasia ny fitafianao rehetra, zava-maneno avy ao amin’ ny lapa ivory no mampifaly anao.
Psal Mg1865 45:10  Zanakavavin’ andriamanjaka no isan’ ny malalanao; eo ankavananao no itoeran’ ny vadin’ ny mpanjaka, miravaka volamena avy any Ofira.
Psal Mg1865 45:11  Henoy, razazavavy, dia jereo, ka atongilano ny sofinao, ary hadinoy ny firenenao sy ny tranon-drainao;
Psal Mg1865 45:12  Raha irin’ ny mpanjaka ny hatsaran-tarehinao ― fa izy no tomponao ― dia miankohofa eo anatrehany.
Psal Mg1865 45:13  Ary ny zanakavavin’ i Tyro hitondra fanatitra; eny, ny manan-karena amin’ ny vahoaka hila sitraka aminao.
Psal Mg1865 45:14  Be voninahitra ny zanakavavin’ ny mpanjaka ao anaty trano; tenona misy volamena no fitafiany.
Psal Mg1865 45:15  Mitafy lamba misoratsoratra izy ka entina ho ao amin’ ny mpanjaka: ny zazavavy sakaizany izay manaraka azy dia entina ao aminao.
Psal Mg1865 45:16  Entina amin’ ny fifaliana sy ny firavoravoana ireny; hiditra ao an-dapan’ ny mpanjaka izy.
Psal Mg1865 45:17  Ho solon-drainao ny zanakao, hotendrenao ho mpanapaka eny amin’ ny tany rehetra izy.
Psal Mg1865 45:18  Hampahatsiaro ny anaranao hatramin’ ny taranaka fara mandimby aho. Izany rehetra izany no hideran’ ny firenena anao mandrakizay doria.