Site uses cookies to provide basic functionality.

OK
PSALMS
Prev Up Next
Chapter 59
Psal Mg1865 59:2  Afaho amin’ ny fahavaloko aho, Andriamanitro ô; asondroty eo amin’ ny avo aho tsy ho azon’ izay miodina amiko.
Psal Mg1865 59:3  Afaho amin’ ny mpanao ratsy aho, ary vonjeo amin’ ny mpandatsa-drà.
Psal Mg1865 59:4  Fa, indro, manotrika hahazo ny aiko izy; miangona hanohitra ahy ny mahery, nefa tsy fahadisoako ary tsy fahotako, Jehovah ô.
Psal Mg1865 59:5  Tsy heloko no ihazakazahany sy iomanany, koa mifohaza hitsena ahy, ka jereo.
Psal Mg1865 59:6  Ary Hianao, Jehovah ô, Andriamanitry ny maro, Andriamanitry ny Isiraely, mifohaza hitsara ny firenen-tsamy hafa; aza mamindra fo amin’ izay mpivadika ratsy fanahy. [Sela.]
Psal Mg1865 59:7  Miverina nony hariva ireny ka mierona tahaka ny alika, sady mandehandeha eran’ ny tanàna.
Psal Mg1865 59:8  Indro, mirezadrezatra amin’ ny vavany izy; sabatra no eo amin’ ny molony, fa iza, hono, no handre?
Psal Mg1865 59:9  Kanjo Hianao, Jehovah ô, hihomehy azy; Hianao haneso ny firenena rehetra.
Psal Mg1865 59:10  Koa noho ny herin’ ireny dia hiandry Anao aho; fa Andriamanitra no fiarovana avo ho ahy.
Psal Mg1865 59:11  Andriamanitra, Izay mamindra fo amiko, no hialoha ahy; hataon’ Andriamanitra faly mijery ny amin’ ny fahavaloko aho.
Psal Mg1865 59:12  Aza mahafaty azy Hianao, fandrao hanadino izany ny fireneko. Ampirenireneo amin’ ny herinao izy, ka aripaho, ry Tompo ô, Ampinganay.
Psal Mg1865 59:13  Ny fahotan’ ny vavany dia ny tenin’ ny molony; aoka hosamborina amin’ ny fireharehany izy, eny, noho ny ozona sy ny lainga ataony.
Psal Mg1865 59:14  Aringano an-katezerana izy, aringano mba tsy ho ao intsony; ary aoka ho fantany fa Andriamanitra no manapaka eo amin’ ny Jakoba ka hatramin’ ny faran’ ny tany. [Sela.]
Psal Mg1865 59:15  Ary miverina nony hariva ireny ka mierona tahaka ny alika, sady mandehandeha eran’ ny tanàna.
Psal Mg1865 59:16  Miriorio mitady hanina izy; raha tsy voky izy, dia any ihany mandritra ny alina.
Psal Mg1865 59:17  Fa izaho kosa dia hihira ny herinao, ary hihoby ny famindram-ponao nony maraina, satria fiarovana avo ho ahy Hianao, ary fandosirako amin’ ny andro fahoriana.
Psal Mg1865 59:18  Ry Heriko ô, Hianao no hankalazaiko; fa Andriamanitra no fiarovana avo ho ahy, dia Andriamanitra Izay mamindra fo amiko.