Site uses cookies to provide basic functionality.

OK
II TIMOTHY
Up
1 2 3 4
Toggle notes
Chapter 1
II T Mg1865 1:1  Paoly, Apostolin’ i Kristy Jesosy noho ny sitrapon’ Andriamanitra, mba ho mpitory ny teny fikasana milaza ny fiainana izay ao amin’ i Kristy Jesosy,
II T Mg1865 1:2  mamangy an’ i Timoty, zanako malala: ho aminao anie ny fahasoavana sy ny famindram-po ary ny fiadanana avy amin’ Andriamanitra Ray sy Kristy Jesosy Tompontsika.
II T Mg1865 1:3  Misaotra an’ Andriamanitra aho, Izay tompoiko araka ny nataon’ ny razako amin’ ny fieritreretana madio, fa tsy manam-pitsaharana akory ny fahatsiarovako anao amin’ ny fivavahako andro aman’ alina;
II T Mg1865 1:4  ary maniry hahita anao aho (satria tsaroako ny ranomasonao), mba ho feno fifaliana aho;
II T Mg1865 1:5  fa nisy nahatsiarovako ny finoana tsy mihatsaravelatsihy izay ao anatinao, izay nitoetra taloha tao anatin’ i Loisa renibenao sy Eonika reninao, ary matoky aho fa ao anatinao koa izany.
II T Mg1865 1:6  Ary noho izany dia mampahatsiaro anao aho mba hamelomanao ny fanomezam-pahasoavana avy amin’ Andriamanitra, izay ao anatinao tamin’ ny fametrahako ny tanako.
II T Mg1865 1:7  Fa tsy nomen’ Andriamanitra fanahy osa isika, fa fanahy mahery sy fitiavana ary fahononan-tena.
II T Mg1865 1:8  Koa aza menatra ny ho vavolombelon’ ny Tompontsika, na ahy mpifatony ianao; fa aoka ianao ho mpiombona ny fahoriana noho ny filazantsara araka ny herin’ Andriamanitra,
II T Mg1865 1:9  Izay namonjy antsika sy niantso antsika tamin’ ny fiantsoana masìna, tsy araka ny asantsika, fa araka ny fikasany sy ny fahasoavany izay nomena antsika tao amin’ i Kristy Jesosy hatry ny fony fahagola;
II T Mg1865 1:10  fa naharihary ankehitriny tamin’ ny nisehoan’ i Kristy Jesosy, Mpamonjy antsika, Izay nahafoana ny herin’ ny fahafatesana, ka ny filazantsara no nampisehoany mazava ny fiainana sy ny tsi-fahalòvana mandrakizay;
II T Mg1865 1:11  ny amin’ io filazantsara io no nanendrena ahy ho mpitory sy Apostoly ary mpampianatra.
II T Mg1865 1:12  Ary noho izany koa no iaretako izao zavatra izao, ka tsy menatra aho, satria fantatro Izay inoako, ary matoky aho fa Izy dia mahatahiry ilay zavatra natolotro Azy mandra-pihavin’ izay andro izay.
II T Mg1865 1:13  Tano amin’ ny finoana ny ny fitiavana ao amin’ i Kristy Jesosy ny mariky ny teny tsy misy kilema, izay efa renao tamiko.
II T Mg1865 1:14  Ilay zavatra tsara natolotra anao dia tehirizo amin’ ny fampaherezan’ ny Fanahy Masìna, Izay mitoetra ao anatintsika.
II T Mg1865 1:15  Fantatrao fa efa nahafoy ahy izay rehetra any Asia; isan’ ireny Fygelo sy Hermogena.
II T Mg1865 1:16  Homen’ ny Tompo famindram-po anie ny ankohonan’ i Onesiforosy; satria namelombelona ny fanahiko matetika izy, fa tsy menatra ny gadrako;
II T Mg1865 1:17  fa raha tany Roma izy, dia nitady ahy fatratra ka nahita
II T Mg1865 1:18  (ny Tompo anie hampahita azy famindram-po amin’ ny Tompo amin’ izay andro izay); ary ny hafatratry ny nanompoany ahy tany Efesosy dia fantatrao tsara.
Chapter 2
II T Mg1865 2:1  Koa ianao, anaka, dia aoka hihahery amin’ ny fahasoavana izay ao amin’ i Kristy Jesosy.
II T Mg1865 2:2  Ary izay zavatra efa renao tamiko teo anatrehan’ ny vavolombelona maro dia atolory ny olona mahatoky, izay hahay mampianatra ny sasany kosa.
II T Mg1865 2:3  Miaraha miaritra ny mafy amiko ianao tahaka ny miaramila tsaran’ i Kristy Jesosy.
II T Mg1865 2:4  Ny miaramila manafika dia tsy mba misy maningo-tena amin’ ny raharahan’ izao fiainana izao, mba hahafaly izay efa nifidy azy ho miaramila.
II T Mg1865 2:5  Ary raha misy manezaka amin’ ny filalaovana, dia tsy satrohana satro-boninahitra izy, raha tsy manezaka araka ny lalàna.
II T Mg1865 2:6  Ny mpiasa tany izay misasatra no tokony ho voalohany handray ny vokatra.
II T Mg1865 2:7  Diniho izay lazaiko, fa homen’ ny Tompo fahazavan-tsaina ny amin’ ny zavatra rehetra ianao.
II T Mg1865 2:8  Tsarovy Jesosy Kristy Izay natsangana tamin’ ny maty, dia Ilay avy tamin’ ny taranak’ i Davida, araka ny filazantsarako,
II T Mg1865 2:9  izay iaretako fahoriana hatramin’ ny fatorana aza, hoatra ny mpanao ratsy; nefa ny tenin’ Andriamanitra dia tsy mba voafatotra.
II T Mg1865 2:10  Izany no iaretako ny zavatra rehetra noho ny amin’ ny olom-boafidy, mba hahazoan’ ireny koa famonjena, dia izay ao amin’ i Kristy Jesosy, mbamin’ ny voninahitra mandrakizay.
II T Mg1865 2:11  Mahatoky izao teny izao: Fa raha miara-maty aminy isika, dia hiara-belona aminy koa;
II T Mg1865 2:12  raha miaritra isika, dia hiara-manjaka aminy; raha mandà Azy isika, Izy kosa handà antsika;
II T Mg1865 2:13  fa na dia tsy matoky Azy aza isika, dia mbola mahatoky ihany Izy, fa tsy mahazo mandà ny tenany.
II T Mg1865 2:14  Izany zavatra izany no ampahatsiarovy ny olona, ka anaro mafy eo anatrehan’ ny Tompo izy mba tsy hiady teny, satria tsy mahasoa akory izany, fa mamadika ny mpihaino,
II T Mg1865 2:15  Mazotoa manolotra ny tenanao amin’ Andriamanitra ho olona voazaha toetra, dia mpiasa tsy mahazo henatra, mizara tsara ny teny fahamarinana.
II T Mg1865 2:16  Fa halaviro ny fibedibedena foana; fa mbola handroso amin’ ny haratsiam-panahy ihany izy ireny,
II T Mg1865 2:17  ary ny teniny dia handany tahaka ny aretina mihady; isan ireny Hymeneo sy Fileto,
II T Mg1865 2:18  izay nania tamin’ ny marina ka milaza fa efa lasa sahady ny fitsanganan’ ny maty, dia mamadika ny finoan’ ny sasany.
II T Mg1865 2:19  Kanefa ny fanorenana mafy nataon’ Andriamanitra dia miorina tsara sady manana izao tombo-kase izao: “Ny Tompo mahalala ny azy”, ary koa: “Aoka ny olona rehetra izay manonona ny anaran’ ny Tompo hiala amin’ ny ratsy.”
II T Mg1865 2:20  Fa ao an-trano lehibe, tsy dia fanaka volamena sy volafotsy ihany no ao, fa fanaka hazo sy tany koa, ny sasany homem-boninahitra, ary ny sasany halam-baraka.
II T Mg1865 2:21  Koa raha misy olona manadio ny tenany ho afaka amin’ ireny, dia ho fanaka homem-boninahitra izy, efa nohamasinina ka mahasoa ho an’ ny Tompo, voavoatra ho amin’ ny asa tsara rehetra.
II T Mg1865 2:22  Fa mandosira ny filan’ ny tanora fanahy; ary miezaha mitady fahamarinana, finoana, fitiavana, fihavanana amin’ izay miantso ny Tompo amin’ ny fo madio.
II T Mg1865 2:23  Fa mandava ny fanontaniana adaladala tsy misy antony, satria fantatrao fa mahatonga ady izany.
II T Mg1865 2:24  Ary tsy mety raha miady ny mpanompon’ ny Tompo, fa ho malemy fanahy amin’ ny olona rehetra, mahay mampianatra, mahalefitra,
II T Mg1865 2:25  mananatra ny mpanohitra amin’ ny fahamoram-panahy; fa angamba Andriamanitra hanome azy fibebahana hahalalany tsara ny marina,
II T Mg1865 2:26  ka hody ny sainy ho afaka amin’ ny fandriky ny devoly, izay nanao azy sambo-belona hanao ny sitrapony.
Chapter 3
II T Mg1865 3:1  Fa aoka ho fantatrao izao: fa any am-parany any dia hisy andro mahory.
II T Mg1865 3:2  Fa ny olona ho tia tena, ho tia vola, ho mpandoka tena, mpiavonavona, miteny ratsy, tsy manoa ray sy reny, tsy misaotra, tsy manaja izay masìna,
II T Mg1865 3:3  tsy manam-pitiavana, mpanontolo fo, mpanendrikendrika, tsy mahonom-po, lozabe, tsy tia ny tsara,
II T Mg1865 3:4  mpamadika, kirina, mpieboebo, tia ny fahafinaretana mihoatra noho ny fitiavany an’ Andriamanitra,
II T Mg1865 3:5  manana ny endriky ny toe-panahy araka an’ Andriamanitra, nefa nandà ny heriny; ireny koa dia halaviro.
II T Mg1865 3:6  Fa isan’ ireny izay misokosoko miditra any an-tranon’ ny sasany ka mahalasa ho babo ny vehivavy adaladala, vesaran’ ny fahotana, entin’ ny filàna maro,
II T Mg1865 3:7  mianatra mandrakariva, nefa tsy mahatratra ny fahalalana ny marina.
II T Mg1865 3:8  Ary tahaka ny nanoheran’ i Jana sy Jambra an’ i Mosesy no anoheran’ ireo koa ny fahamarinana, dia olona maloto saina sady tsy manam-pinoana marina.
II T Mg1865 3:9  Kanefa tsy handroso intsony izy; fa ny hadalany dia haseho amin’ ny olona rehetra, tahaka ny an’ ireo koa.
II T Mg1865 3:10  Fa ianao kosa dia efa nanaraka tsara ny fampianarako, ny fitondran-tenako, ny fisainako, ny finoako, ny fandeferako, ny fitiavako, ny faharetako,
II T Mg1865 3:11  ny nanenjehana ahy, ny fahoriana izay nanjo ahy tany Antiokia, tany Ikonioma, tany Lystra, dia ny fanenjehana izay niaretako; ary ny Tompo nahafaka ahy tamin’ izany rehetra izany.
II T Mg1865 3:12  Eny, izay rehetra te-ho velona amin’ ny toe-panahy araka an’ Andriamanitra, izay ao amin’ i Kristy Jesosy, dia henjehina.
II T Mg1865 3:13  Fa ny ratsy fanahy sy ny mpanoloky kosa dia handroso hiharatsiratsy kokoa sady mamitaka no fitahina.
II T Mg1865 3:14  Fa ianao kosa dia mahareta amin’ izay zavatra nianaranao sy nampinoana anao, satria fantatrao izay nampianatra anao izany;
II T Mg1865 3:15  fa hatry ny fony vao zaza ianao dia efa nahalala ny Soratra Masìna, izay mampahahendry anao ho amin’ ny famonjena amin’ ny finoana izay ao amin’ i Kristy Jesosy.
II T Mg1865 3:16  Izay soratra rehetra nomen’ ny tsindrimandrin’ Andriamanitra dia mahasoa koa ho fampianarana, ho fandresen-dahatra, ho fanitsiana izay diso, ho fitaizana amin’ ny fahamarinana,
II T Mg1865 3:17  mba ho tanteraka ny olon’ Andriamanitra, ho vonona tsara ho amin’ ny asa tsara rehetra.
Chapter 4
II T Mg1865 4:1  Eo anatrehan’ Andriamanitra sy Kristy Jesosy, Izay hitsara ny velona sy ny maty, ary noho ny amin’ ny fisehoany sy ny fanjakany, no ananarako anao mafy:
II T Mg1865 4:2  mitoria ny teny, mazotoa, na amin’ ny fotoana, na tsy amin’ ny fotoana, mandrese lahatra, mamporisiha, mananara mafy amin’ ny fahari-po sy ny fampianarana rehetra.
II T Mg1865 4:3  Fa ho avy ny andro izay tsy hahazakan’ ny olona ny fampianarana tsy misy kilema; fa hangidihidy sofina izy, dia hamory mpampianatra ho azy araka ny filany;
II T Mg1865 4:4  ary hampiala ny sofiny amin’ ny teny marina tokoa izy ka hivily ho amin’ ny anganongano.
II T Mg1865 4:5  Fa ianao kosa mahonona tena amin’ ny zavatra rehetra, miareta fahoriana, ataovy ny asan’ ny evanjelista, tanteraho ny fanompoanao.
II T Mg1865 4:6  Fa izaho dia efa hatolotra sahady, ary efa mba akaiky ny andro fialàko.
II T Mg1865 4:7  Efa niady ny ady tsara aho; nahatanteraka ny fihazakazahana aho; nitahiry ny finoana aho;
II T Mg1865 4:8  hatrizao dia tehirizina ho ahy ny satro-boninahitry ny fahamarinana, izay homen ny Tompo, Mpitsara marina, ho ahy amin izay andro izay; ary tsy ho ahy ihany, fa ho an’ izay rehetra tia ny fisehoany koa.
II T Mg1865 4:10  fa Demasy efa nandao ahy, satria tia izao fiainana izao izy ka lasa nankany Tesalonika; Kreska nankany Galatia, Titosy nankany Dalmatia.
II T Mg1865 4:11  Lioka ihany no ato amiko. Alao Marka, ka ento miaraka aminao, fa mahasoa ahy amin’ ny fanompoana izy.
II T Mg1865 4:13  Ilay kapôty navelako tany Troasy tao amin’ i Karpo, dia ento, raha mankaty ianao, ary ny boky, indrindra fa ireo boky hoditra.
II T Mg1865 4:14  Aleksandro, mpanefy varahina, efa nanisy ratsy ahy be loatra; ny Tompo hamaly azy araka ny asany;
II T Mg1865 4:15  tandremonao ihany izy iny, fa nanohitra fatratra ny teninay.
II T Mg1865 4:16  Tamin’ ny nandaharako voalohany hanala tsiny ny tenako dia tsy nisy nomba ahy, fa nandao ahy avokoa izy rehetra (aza mba isaina ho helony anie izany).
II T Mg1865 4:17  Kanefa ny Tompo nitsangana teo anilako ka nampahery ahy, mba hotanterahina tokoa amin’ ny ataoko ny fitorian-teny, ary mba ho ren’ ny jentilisa rehetra izany; ary izaho novonjena tao am-bavan’ ny liona.
II T Mg1865 4:18  Ary ny Tompo hanafaka ahy amin’ ny asa ratsy rehetra ka hamonjy ahy ho any amin’ ny fanjakany any an-danitra; ho Azy anie ny voninahitra mandrakizay mandrakizay. Amena.
II T Mg1865 4:19  Manaova veloma amin’ i Prisila sy Akoila mbamin’ ny ankohonan’ i Onesiforosy;
II T Mg1865 4:20  Erasto nitoetra tany Korinto; fa Trofimo nilaozako tany Mileto, satria narary izy.
II T Mg1865 4:21  Mazotoa hankatỳ alohan’ ny ririnina. Manao veloma anao Eobolo sy Poda sy Lino sy Klaodia mbamin’ ny rahalahy rehetra.
II T Mg1865 4:22  Ho amin’ ny fanahinao anie ny Tompo. Ho aminareo anie ny fahasoavana.