LAMENTATIONS
Chapter 3
Lame | Mg1865 | 3:2 | Izaho no notarihiny sy nampandehaniny ho amin’ ny maizina, fa tsy ho amin’ ny mazava. | |
Lame | Mg1865 | 3:5 | Manorina izay hamelezany ahy Izy ary manemitra ahy amin’ ny zava-mangidy sy ny fahoriana. | |
Lame | Mg1865 | 3:12 | Nanenjana ny tsipìkany Izy ka nanangana ahy ho toy ny marika hokendrena zana-tsipìka. | |
Lame | Mg1865 | 3:16 | Ary notorotoroiny tamin’ ny sila-bato ny nifiko, sady natsinkasinkasiny tamin’ ny lavenona aho. | |
Lame | Mg1865 | 3:22 | Ny famindram-pon’ i Jehovah no tsy nahalany ritra antsika, fa tsy mitsahatra ny fiantrany. | |
Lame | Mg1865 | 3:32 | Eny fa na dia mampahory aza Izy, dia mbola hiantra ihany araka ny haben’ ny famindram-pony. | |
Lame | Mg1865 | 3:34 | Ny fanitsakitsahana ny mpifatotra rehetra ambonin’ ny tany ho eo ambanin’ ny tongotra, | |
Lame | Mg1865 | 3:37 | Iza moa no miteny, ka dia mahatonga izany, raha tsy zavatra efa nodidian’ ny Tompo? | |
Lame | Mg1865 | 3:39 | Koa ahoana no imonomononan’ ny olona mbola velona, fa no tsy aleo misento noho ny amin’ ny fahotany avy? | |
Lame | Mg1865 | 3:40 | Aoka isika handinika sy hamantatra ny alehantsika ka hiverina indray amin’ i Jehovah. | |
Lame | Mg1865 | 3:41 | Aoka hasandratsika amin’ Andriamanitra any an-danitra ny fontsika sy ny tanantsika. | |
Lame | Mg1865 | 3:43 | Nisarona fahatezerana Hianao ka nanenjika anay; eny, novonoinao izahay, fa tsy niantranao. | |
Lame | Mg1865 | 3:48 | Rano mandriaka no mijononoka amin’ ny masoko noho ny faharatran’ ny oloko zanakavavy. | |
Lame | Mg1865 | 3:51 | Ny masoko mampiditra fahoriana ho an’ ny fanahiko noho ny amin’ ny zanakavavin’ ny tanànako rehetra. | |
Lame | Mg1865 | 3:52 | Izay fahavaloko tsy ahoan-tsy ahoana dia nanenjika ahy mafy hoatra ny fanenjika voron-kely. | |
Lame | Mg1865 | 3:53 | Nanjera ahy tao an-davaka famoriandrano izy ka nitady hahafaty ahy sady nitora-bato ahy. | |
Lame | Mg1865 | 3:56 | Ny feoko dia efa renao, aza tampenana ny sofinao, raha mitaraina mitady izay mba hiainana kely aho. | |
Lame | Mg1865 | 3:57 | Nanakaiky Hianao tamin’ ny andro niantsoako Anao, ka dia hoy Hianao: Aza matahotra. | |
Lame | Mg1865 | 3:58 | Tompo ô, Hianao nandahatra ny adiko izay nikasika ny aiko, eny, nanavotra ny aiko Hianao. | |
Lame | Mg1865 | 3:60 | Hitanao ny famalian-dratsy rehetra ataon’ ireo, dia ny saina rehetra entiny mamely ahy | |
Lame | Mg1865 | 3:62 | Dia ny molotr’ izay mitsangana hanohitra ahy sy ny saina ataony mandritra ny andro hamelezana ahy. | |