Site uses cookies to provide basic functionality.

OK
LAMENTATIONS
1 2 3 4 5
Prev Up Next
Chapter 3
Lame Mg1865 3:1  Izaho ilay lehilahy nahita fahoriana tamin’ ny tsorakazon’ ny fahatezerany.
Lame Mg1865 3:2  Izaho no notarihiny sy nampandehaniny ho amin’ ny maizina, fa tsy ho amin’ ny mazava.
Lame Mg1865 3:3  Izaho ihany no asian’ ny tànany mandritra ny andro mandrakariva.
Lame Mg1865 3:4  Nataony antitra ny nofoko sy ny hoditro, notapatapahiny ny taolako.
Lame Mg1865 3:5  Manorina izay hamelezany ahy Izy ary manemitra ahy amin’ ny zava-mangidy sy ny fahoriana.
Lame Mg1865 3:6  Ampitoeriny ao amin’ ny maizina toy izay efa maty fahagola aho.
Lame Mg1865 3:7  Nofefeny manodidina aho ka tsy afa-nivoaka, nataony mavesatra ny gadrako.
Lame Mg1865 3:8  Ary na dia mitaraina sy minananana aza aho, dia tampenany ny fivavako.
Lame Mg1865 3:9  Vato voapaika no narafiny natampiny ny lalako, naolikoliny ny alehako.
Lame Mg1865 3:10  Tonga bera manotrika ahy Izy, ary toy ny liona ao amin’ ny fierena;
Lame Mg1865 3:11  Namily ny alehako Izy, ary noviravirainy aho ka nataony mahatsiravina.
Lame Mg1865 3:12  Nanenjana ny tsipìkany Izy ka nanangana ahy ho toy ny marika hokendrena zana-tsipìka.
Lame Mg1865 3:13  Nampitsatoka ny zana-tsipìkany tamin’ ny voako Izy.
Lame Mg1865 3:14  Tonga fihomehezan’ ny fireneko rehetra aho sady ataony an-kira mandritra ny andro.
Lame Mg1865 3:15  Novokisany zava-mangidy aho ary nobobohany zava-mahafaty.
Lame Mg1865 3:16  Ary notorotoroiny tamin’ ny sila-bato ny nifiko, sady natsinkasinkasiny tamin’ ny lavenona aho.
Lame Mg1865 3:17  Ary noroahinao tsy hahita fiadanana ny fanahiko, ka efa hadinoko ny tsara.
Lame Mg1865 3:18  Dia hoy izaho: Levona ny faharetako sy ny fanantenako an’ i Jehovah.
Lame Mg1865 3:19  Tsarovy ny fahoriako sy ny fanjenjenako, dia ny zava-mahafaty sy ny rano mangidy.
Lame Mg1865 3:20  Tsaroan’ ny fanahiko indrindra izany, ka mitanondrika ato anatiko izy.
Lame Mg1865 3:21  Izany no ho eritreretiko ato am-poko, ka dia hanantena aho.
Lame Mg1865 3:22  Ny famindram-pon’ i Jehovah no tsy nahalany ritra antsika, fa tsy mitsahatra ny fiantrany.
Lame Mg1865 3:23  Vaovao isa-maraina izany; lehibe ny fahamarinanao.
Lame Mg1865 3:24  Jehovah no anjarako, hoy ny fanahiko, ka dia hanantena Azy aho.
Lame Mg1865 3:25  Tsara Jehovah amin’ izay manantena Azy, dia amin’ ny olona izay mitady Azy.
Lame Mg1865 3:26  Tsara ny miandry ny famonjen’ i Jehovah amin’ ny fanginana.
Lame Mg1865 3:27  Tsara amin’ ny olona ny mitondra zioga, raha mbola tanora izy.
Lame Mg1865 3:28  Aoka hanjokaiky irery izy ka hangina, raha ampitondraina izany.
Lame Mg1865 3:29  Aoka hanohoka ny vavany eo amin’ ny vovoka izy, angamba hisy hantenaina.
Lame Mg1865 3:30  Aoka hanolotra ny takolany ho amin’ izay mamely azy izy ka ho feno latsa.
Lame Mg1865 3:32  Eny fa na dia mampahory aza Izy, dia mbola hiantra ihany araka ny haben’ ny famindram-pony.
Lame Mg1865 3:33  Fa tsy sitrany ny mampahory na mampalahelo ny zanak’ olombelona.
Lame Mg1865 3:34  Ny fanitsakitsahana ny mpifatotra rehetra ambonin’ ny tany ho eo ambanin’ ny tongotra,
Lame Mg1865 3:35  Ny familiana ny rariny amin’ ny olona eo anatrehan’ ny Avo Indrindra,
Lame Mg1865 3:36  Ny famadihana ny adin’ ny olona, dia samy tsy sitraky ny Tompo.
Lame Mg1865 3:37  Iza moa no miteny, ka dia mahatonga izany, raha tsy zavatra efa nodidian’ ny Tompo?
Lame Mg1865 3:38  Tsy avy amin’ ny vavan’ ny Avo Indrindra va no ivoahan’ ny soa sy ny loza?
Lame Mg1865 3:39  Koa ahoana no imonomononan’ ny olona mbola velona, fa no tsy aleo misento noho ny amin’ ny fahotany avy?
Lame Mg1865 3:40  Aoka isika handinika sy hamantatra ny alehantsika ka hiverina indray amin’ i Jehovah.
Lame Mg1865 3:41  Aoka hasandratsika amin’ Andriamanitra any an-danitra ny fontsika sy ny tanantsika.
Lame Mg1865 3:42  Izahay efa nanota sy nanao ditra, ary Hianao kosa tsy namela heloka.
Lame Mg1865 3:43  Nisarona fahatezerana Hianao ka nanenjika anay; eny, novonoinao izahay, fa tsy niantranao.
Lame Mg1865 3:44  Nisarona rahona Hianao, ka dia voasakana ny vavaka.
Lame Mg1865 3:45  Nataonao tahaka ny fakofako sy ny zavatra nariana teo afovoan’ ny firenena izahay.
Lame Mg1865 3:47  Mahavoa anay ny tahotra sy ny lavaka ary ny fandringanana sy ny fahatorotoroana.
Lame Mg1865 3:48  Rano mandriaka no mijononoka amin’ ny masoko noho ny faharatran’ ny oloko zanakavavy.
Lame Mg1865 3:49  Ny masoko mandrotsa-dranomaso ka tsy mijanona, eny, tsy misy fiatoana,
Lame Mg1865 3:50  Ambara-pitazan’ i Jehovah ka ho tsinjony any an-danitra.
Lame Mg1865 3:51  Ny masoko mampiditra fahoriana ho an’ ny fanahiko noho ny amin’ ny zanakavavin’ ny tanànako rehetra.
Lame Mg1865 3:52  Izay fahavaloko tsy ahoan-tsy ahoana dia nanenjika ahy mafy hoatra ny fanenjika voron-kely.
Lame Mg1865 3:53  Nanjera ahy tao an-davaka famoriandrano izy ka nitady hahafaty ahy sady nitora-bato ahy.
Lame Mg1865 3:54  Mandifotra ny lohako ny rano, ka dia hoy izaho: Maty aho ity!
Lame Mg1865 3:55  Jehovah ô, niantso ny anaranao tany an-davaka lalina indrindra aho.
Lame Mg1865 3:56  Ny feoko dia efa renao, aza tampenana ny sofinao, raha mitaraina mitady izay mba hiainana kely aho.
Lame Mg1865 3:57  Nanakaiky Hianao tamin’ ny andro niantsoako Anao, ka dia hoy Hianao: Aza matahotra.
Lame Mg1865 3:58  Tompo ô, Hianao nandahatra ny adiko izay nikasika ny aiko, eny, nanavotra ny aiko Hianao.
Lame Mg1865 3:59  Jehovah ô, hitanao ny fitsarana miangatra natao tamiko, ka mba tsarao ny adiko.
Lame Mg1865 3:60  Hitanao ny famalian-dratsy rehetra ataon’ ireo, dia ny saina rehetra entiny mamely ahy
Lame Mg1865 3:61  Jehovah ô, efa renao ny latsa ataony, dia ny saina rehetra entiny mamely ahy,
Lame Mg1865 3:62  Dia ny molotr’ izay mitsangana hanohitra ahy sy ny saina ataony mandritra ny andro hamelezana ahy.
Lame Mg1865 3:63  Jereo ny fipetrany sy ny fitsangany, fa ataony an-kira aho.
Lame Mg1865 3:64  Hovalianao araka ny asan’ ny tànany izy, Jehovah ô.
Lame Mg1865 3:65  Eny, hohamaizininao ny fony, hihatra aminy ny ozonao.
Lame Mg1865 3:66  Henjehinao amin’ ny fahatezerana izy ka haringanao tsy ho etỳ ambanin’ ny lanitr’ i Jehovah.