Site uses cookies to provide basic functionality.

OK
PSALMS
Prev Up Next Toggle notes
Chapter 88
Psal Mg1865 88:2  Jehovah ô, Andriamanitry ny famonjena ahy, Andro aman’ alina no itarainako eo anatrehanao;
Psal Mg1865 88:3  Aoka ny fivavako ho tonga eo anatrehanao; Atongilano amin’ ny fitarainako ny sofinao;
Psal Mg1865 88:4  Fa diboka ny fahoriana ny fanahiko; Ary ny aiko manakaiky ny fiainan-tsi-hita.
Psal Mg1865 88:5  Natao ho isan’ izay midìna any an-davaka aho Ary efa tahaka izay tsy manan-kery;
Psal Mg1865 88:6  Efa nafoy ho any amin’ ny maty aho, Tahaka izay voavono, mandry ao am-pasana, Izay tsy tsarovanao intsony, Fa voafongotry ny tananao.
Psal Mg1865 88:7  Efa nametraka ahy any an-davaka ambany indrindra Hianao, Ao amin’ ny maizina, dia ao amin’ ny lalina.
Psal Mg1865 88:8  Ny fahatezeranao manindry ahy mafy, Ary ny alon-dranonao rehetra azeranao amiko. [Sela.]
Psal Mg1865 88:9  Efa nampanalavirinao ahy ny olona nahazatra ahy; Efa nataonao fahavetavetana eo imasony aho; Voahidy aho ka tsy afa-mivoaka.
Psal Mg1865 88:10  Ny masoko efa pahina noho ny fahoriana; Jehovah ô, miantso Anao isan’ andro aho, Mamefy tanana aminao aho.
Psal Mg1865 88:11  Haneho fahagagana amin’ ny maty va Hianao? Ny matoatoa va no hitsangana hidera Anao?
Psal Mg1865 88:12  Hotorina any am-pasana va ny famindram-ponao, Ary ny fahamarinanao any amin’ ny fandringanana?
Psal Mg1865 88:13  Ho fantatra ao amin’ ny maizina va ny fahagagana ataonao, Ary ny fahamarinanao ao amin’ ny tany fanadinoana?
Psal Mg1865 88:14  Fa raha izaho, dia Hianao no itarainako, Jehovah ô; Ary ny fivavako tonga eo anatrehanao nony maraina.
Psal Mg1865 88:15  Jehovah ô, nahoana no manary ny fanahiko Hianao Ka manafina ny tavanao amiko?
Psal Mg1865 88:16  Ory aho ka efa ho faty hatramin’ ny fahazazako; Raha itambesa-ran’ ny fampitahoranao aho, dia very hevitra;
Psal Mg1865 88:17  Manafotra ahy ny fahatezeranao; Matin’ ny fampitahoranao aho;
Psal Mg1865 88:18  Mandifotra ahy mandrakariva tahaka ny rano ireny; Miara-manodidina ahy izy.
Psal Mg1865 88:19  Efa nampanalavirinao ahy ny olona tia ahy sy ny sakaizako; Ireo nahazatra ahy dia fahamaizinana.