Site uses cookies to provide basic functionality.

OK
PSALMS
Prev Up Next
Chapter 72
Psal Mg1865 72:1  Andriamanitra ô, omeo ho an’ ny mpanjaka ny fitsarànao, ary ho an’ ny zanaky ny mpanjaka ny fahamarinanao.
Psal Mg1865 72:2  Hitsara ny olonao amin’ ny fahamarinana izy. Ary ny malahelolonao amin’ ny fahitsiana.
Psal Mg1865 72:3  Ny tendrombohitra hahavokatra fiadanana ho an’ ny olona, eny, ny havoana koa amin’ ny fahamarinana.
Psal Mg1865 72:4  Hitsara ny olona ory izy sy hamonjy ny zanaky ny mahantra ary hanorotoro ny mpampahory.
Psal Mg1865 72:5  Hatahotra anao ny olona, raha mbola maharitra koa ny masoandro sy ny volana hatramin’ ny taranaka fara mandimby.
Psal Mg1865 72:6  Hidina tahaka ny ranonorana amin’ ny saha voajinja izy, tahaka ny ranonorana mivatravatra amin’ ny tany.
Psal Mg1865 72:7  Ny marina hitrebona amin’ ny androny, ary ho be ny fiadanana mandra-paha-tsy hisy volana intsony.
Psal Mg1865 72:8  Ary hanjaka hatramin’ ny ranomasina ka hatramin’ ny ranomasina izy, ary hatramin’ ny ony ka hatramin’ ny faran’ ny tany.
Psal Mg1865 72:9  Ny mponina any an-efitra handohalika eo anatrehany; ary ny fahavalony hilelaka ny vovoka.
Psal Mg1865 72:10  Ny mpanjakan’ i Tarsisy sy ny nosy handoa hetra; ny mpanjakan’ i Sheba sy Seba hanatitra fanomezana.
Psal Mg1865 72:11  Ary ny mpanjaka rehetra hiankohoka eo anatrehany; ny firenena rehetra hanompo azy.
Psal Mg1865 72:12  Fa hamonjy ny mahantra mitaraina izy sy ny ory tsy manan-kamonjy;
Psal Mg1865 72:13  Hiantra ny reraka sy ny malahelo izy ary hamonjy ny fanahin’ ny malahelo.
Psal Mg1865 72:14  Hanavotra ny fanahiny amin’ ny fampahoriana sy ny fanaovana an-keriny izy; ary ho zava-dehibe eo imasony ny ràny.
Psal Mg1865 72:15  Dia ho velona ireny ka hanome azy volamena avy any Sheba, ary hanao fifonana ho azy mandrakariva, izy, ary isan’ andro no hisaorany azy.
Psal Mg1865 72:16  Hahavoka-bary betsaka ny tany na dia any an-tampon’ ny tendrombohitra aza; hirondrona tahaka ny any Libanona ny fahavokarany; ary ny ao an-tanàna hidokadoka tahaka ny ahitra amin’ ny tany.
Psal Mg1865 72:17  Ho mandrakizay ny anarany; raha mbola maharitra koa ny masoandro, dia hanorobona ny anarany; ary izy ho fitahiana ny olona; ny firenena rehetra hanao azy ho sambatra.
Psal Mg1865 72:18  Isaorana anie Jehovah Andriamanitra, Andriamanitry ny Isiraely; Izy irery ihany no manao fahagagana;
Psal Mg1865 72:19  Ary isaorana mandrakizay anie ny anarany malaza; ary aoka ny tany rehetra ho henika ny voninahiny. Amena dia Amena.
Psal Mg1865 72:20  Tapitra ny fivavak’ i Davida, zanak’ i Jese.