Site uses cookies to provide basic functionality.

OK
PSALMS
Prev Up Next Toggle notes
Chapter 80
Psal Mg1865 80:2  Ry Mpiandry ny Isiraely ô, mihainoa, Hianao Izay mitondra an’ i Josefa toy ny ondry; Hianao, Izay mipetraka amin’ ny kerobima, mamirapiratra.
Psal Mg1865 80:3  Fohazy ny herinao eo anoloan’ i Efraima sy Benjamina ary Manase, ka avia hamonjy anay.
Psal Mg1865 80:4  Andriamanitra ô, ampodio izahay, ka ampamirapirato ny Tavanao, ary aoka hovonjena izahay.
Psal Mg1865 80:5  Jehovah, Andriamanitry ny maro ô, mandra-pahoviana no hanetroka amin’ ny fivavaky ny olonao ny fahatezeranao?
Psal Mg1865 80:6  Mampihinana azy mofo len-dranomaso Hianao, ary mampisotro azy ranomaso tovozina.
Psal Mg1865 80:7  Ataonao ho fifandirana amin’ ny mifanila fonenana aminay izahay; ary ny fahavalonay mifaly handatsa.
Psal Mg1865 80:8  Andriamanitry ny maro ô, ampodio izahay, ka ampamirapirato ny tavanao, ary aoka hovonjena izahay.
Psal Mg1865 80:9  Nisy voaloboka nafindranao avy tany Egypta; nandroaka ny jentilisa Hianao ka namboly azy kosa.
Psal Mg1865 80:10  Nitevy teo alohany Hianao, dia namaka lalina izy ka nameno ny tany.
Psal Mg1865 80:11  Nanaloka ny tendrombohitra ny alokalony, ary ny sampany nanaloka ny sedera andrian-kazo.
Psal Mg1865 80:12  Nampisandrahaka ny rantsany hatramin’ ny ranomasina izy, ary ny sakeliny hatramin’ ny Ony.
Psal Mg1865 80:13  Nahoana no noravànao ny fefiny ka anotazan’ izay rehetra mandalo eny an-dalana izy?
Psal Mg1865 80:14  Ny lambo avy any an’ ala mitrongy azy; ary izay bibi-dia any an-tsaha mandàny azy.
Psal Mg1865 80:15  Ry Andriamanitry ny maro ô, miverena, ka tsilovy any an-danitra, ary jereo, ka vangio ity voaloboka ity.
Psal Mg1865 80:16  Arovy izay nambolen’ ny tananao ankavanana sy ny zanaka izay nampaherezinao ho Anao.
Psal Mg1865 80:17  Voadotry ny afo izy sady voakapa; fongotry ny fananaran’ ny tavanao izy.
Psal Mg1865 80:18  Aoka ny tananao ho amin’ ny lehilahin’ ny tananao ankavanana, dia amin’ ny zanak’ olombelona izay nampaherezinao ho Anao.
Psal Mg1865 80:19  Dia tsy hihemotra hiala aminao izahay; velomy izahay, dia hiantso ny anaranao.
Psal Mg1865 80:20  Ry Jehovah, Andriamanitry ny maro ô, ampodio izahay; ampamirapirato ny tavanao, ary aoka hovonjena Izahay.