Site uses cookies to provide basic functionality.

OK
PSALMS
Prev Up Next
Chapter 9
Psal Mg1865 9:2  Hidera an’ i Jehovah amin’ ny foko rehetra aho; hanambara ny fahagaganao rehetra aho.
Psal Mg1865 9:3  Ho faly sy ho ravoravo aminao aho; hankalaza ny anaranao aho ry Avo Indrindra ô,
Psal Mg1865 9:4  Satria lasa nihodina ny fahavaloko, nirepirepy izy ka ringana tsy ho eo anatrehanao.
Psal Mg1865 9:5  Fa efa nitsara ahy Hianao ka nanome ahy ny rariny; mipetraka eo amin’ ny seza fitsaranao Hianao ho Mpitsara marina.
Psal Mg1865 9:6  Efa nanarinao mafy ny jentilisa, efa naringanao ny ratsy fanahy, ny anarany efa nokosehinao ho faty mandrakizay doria.
Psal Mg1865 9:7  Ny amin’ ny fahavalo, dia tanteraka ho mandrakizay ny fandravàna azy; ary izay tanàna efa noravanao, dia very na dia ny fahatsiarovana azy aza.
Psal Mg1865 9:8  Kanefa Jehovah mitoetra mandrakizay, efa nametraka ny sezany hitsarany Izy,
Psal Mg1865 9:9  Ary Izy hitsara izao tontolo izao amin’ ny fahamarinana, eny hitsara ny firenena amin’ ny fahitsiana Izy.
Psal Mg1865 9:10  Ka dia Jehovah no ho fiarovana avo ho an’ ny mahantra, ho fiarovana avo amin’ ny andro fahoriana Izy.
Psal Mg1865 9:11  Ary hatoky Anao izay mahalala ny anaranao; fa tsy foinao izay mitady Anao, Jehovah ô.
Psal Mg1865 9:12  Mankalazà an’ i Jehovah, Izay mitoetra any Ziona; ambarao any amin’ ny firenena ny asany.
Psal Mg1865 9:13  Fa izay manadin-drà dia mahatsiaro ny ory; tsy manadino ny fitarainany Izy.
Psal Mg1865 9:14  Mamindrà fo amiko, Jehovah ô; mitsinjova ny fahoriako avy amin’ izay mankahala ahy, Ry Mpanandratra ahy ho afaka amin’ ny vavahadin’ ny fahafatesana,
Psal Mg1865 9:15  Mba holazaiko avokoa ny fideràna Anao rehetra; eo am-bavahadin’ i Ziona zanakavavy no hifaliako amin’ ny famonjenao.
Psal Mg1865 9:16  Ny jentilisa efa latsaka tamin’ ny lavaka izay nohadiny, ny fandrika harato izay nafeniny efa nahazo ny tongony,
Psal Mg1865 9:17  Jehovah efa nanao izay mampiseho ny tenany ho Mpitsara; namandrika ny ratsy fanahy tamin’ ny asan’ ny tànany Izy.
Psal Mg1865 9:18  Hiverina ho any amin’ ny fiainan-tsi-hita ny ratsy fanahy, dia ny jentilisa rehetra izay manadino an’ Andriamanitra.
Psal Mg1865 9:19  Fa tsy ho mandrakizay no hanadinoana ny malahelo; ary tsy ho very mandrakizay ny fanantenan’ ny mahantra.
Psal Mg1865 9:20  Mitsangàna, Jehovah ô, aoka tsy hahery ny olona; aoka hotsaraina eo anatrehanao ny jentilisa.
Psal Mg1865 9:21  Asio fampahatahorana izy, Jehovah ô; aoka ho fantatry ny jentilisa fa olona ihany izy. [Sela.]