Site uses cookies to provide basic functionality.

OK
PSALMS
Prev Up Next Toggle notes
Chapter 77
Psal Mg1865 77:2  Ny feoko dia mankany amin’ Andriamanitra, ka mitaraina aho; eny, ny feoko mankany amin’ Andriamanitra, ka mihaino ahy Izy.
Psal Mg1865 77:3  Tamin’ ny andro fahoriako no nitadiavako ny Tompo; ny tanako nasandratra nony alina ka tsy vizana; ny fanahiko tsy nety nampiononina.
Psal Mg1865 77:4  Ta-hahatsiaro an’ Andriamanitra aho, ka dia nisento; te-hieritreritra aho, ka dia reraka ny fanahiko. [Sela.]
Psal Mg1865 77:5  Mampiari-tory ny masoko Hianao; mitebiteby aho ka tsy mahateny.
Psal Mg1865 77:6  Nihevitra ny andro fahiny aho, dia ny taon-dasa ela.
Psal Mg1865 77:7  Ta-hahatsiaro ny nitendreko valiha tamin’ ny alina aho; te-hidinidinika amin’ ny foko aho, ary ny fanahiko nanontany mafy hoe:
Psal Mg1865 77:8  Hanary mandrakizay va ny Tompo? Tsy hankasitraka intsony va Izy?
Psal Mg1865 77:9  Efa nitsahatra mandrakizay va ny famindram-pony? Efa tapitra mandrakizay va ny teniny?
Psal Mg1865 77:10  Efa nanadino hamindra fo va Andriamanitra? Efa nohidiany an-katezerana va ny fiantràny? [Sela.]
Psal Mg1865 77:11  Ary hoy izaho: Izao no mahararirary ny foko, dia ny niovan’ ny tanana ankavanan’ ny Avo Indrindra.
Psal Mg1865 77:12  Hampahatsiaro ny asan’ i Jehovah aho, fa ta-hahatsiaro ny fahagagana nataonao fony taloha;
Psal Mg1865 77:13  Eny hisaina ny asanao rehetra aho, ary hihevitra ny nataonao.
Psal Mg1865 77:14  Andriamanitra ô, amin’ ny fitoerana masìna ny lalanao; iza no andriamani-dehibe tahaka an’ Andriamanitra?
Psal Mg1865 77:15  Hianao no Andriamanitra Izay manao fahagagana; efa nampahalala ny herinao teny amin’ ny firenena Hianao.
Psal Mg1865 77:16  Navotan’ ny sandrinao ny olonao, dia ny taranak’ i Jakoba sy Josefa. [Sela.]
Psal Mg1865 77:17  Ny rano be nahita Anao, Andriamanitra ô, ny rano be nahita Anao ka toran-kovitra; eny, nanonjanonja ny lalina.
Psal Mg1865 77:18  Nandatsaka ranonorana ny rahona; nikotrokotroka ny lanitra; nifanaretsaka koa ny zana-tsipìkanao.
Psal Mg1865 77:19  Ny fikotrokotroky ny kotrokorana dia teo amin’ ny tadio; nahazava izao rehetra izao ny helatra; nihovotrovotra sy nihorohoro ny tany.
Psal Mg1865 77:20  Tany amin’ ny ranomasina ny lalanao, ary ny nalehanao dia tany amin’ ny rano mandriaka, ka tsy fantatra ny dian-tongotrao.
Psal Mg1865 77:21  Ny tanan’ i Mosesy sy Arona no nitondranao ny olonao toy ny ondry.