NUMBERS
Chapter 26
Numb | Mg1865 | 26:1 | Ary rehefa afaka ny areti-mandringana, dia hoy Jehovah tamin’ i Mosesy sy Eleazara, zanak’ i Arona mpisorona: | |
Numb | Mg1865 | 26:2 | Alao isa ny fiangonana, dia ny Zanak’ Isiraely rehetra, hatramin’ ny roa-polo taona no ho miakatra, araka ny fianakaviany avy, dia izay rehetra amin’ ny Isiraely azo halefa hanafika. | |
Numb | Mg1865 | 26:3 | Ary Mosesy sy Eleazara mpisorona dia nilaza taminy teo Arbota-moaba, teo amoron’ i Jordana tandrifin’ i Jeriko, ka nanao hoe: | |
Numb | Mg1865 | 26:4 | Ny hatramin’ ny roa-polo taona no ho miakatra no alao isa; araka izay nandidian’ i Jehovah an’ i Mosesy sy ny Zanak’ Isiraely izay nivoaka avy tany amin’ ny tany Egypta. | |
Numb | Mg1865 | 26:5 | Robena, lahimatoan’ Isiraely; ary ny zanak’ i Robena dia Hanoka sy ny fokon’ ny Hanokita; avy tamin’ i Palo ny fokon’ ny Paloïta; | |
Numb | Mg1865 | 26:6 | avy tamin’ i Hezrona ny fokon’ ny Hezronita; avy tamin’ i Karmy ny fokon’ ny Karmita. | |
Numb | Mg1865 | 26:7 | Ireo no fokon’ ny Robenita; ary izay voalamina taminy dia telo-polo amby fiton-jato sy telo arivo sy efatra alina. | |
Numb | Mg1865 | 26:9 | Ary ny zanak’ i Eliaba dia Nemoela sy Datana ary Abìrama. Ireo dia ilay Datana sy Abìrama, olom-boafidin’ ny fiangonana, izay nila ady tamin’ i Mosesy sy Arona, teo amin’ ny antokon’ i Kora, raha nila ady tamin’ i Jehovah izy, | |
Numb | Mg1865 | 26:10 | ary nisokatra ny tany ka nitelina azy mbamin’ i Kora, tamin’ ny nahafatesan’ izany antokony izany, ary levon’ ny afo koa ny dimam-polo amby roan-jato lahy ka tonga fananarana. | |
Numb | Mg1865 | 26:12 | Ny taranak’ i Simeona, araka ny fokony, dia izao: avy tamin’ i Nemoela ny fokon’ ny Nemoelita; avy tamin’ i Jamina ny fokon’ ny Jaminita; avy tamin’ i Jakina ny fokon’ ny Jakinita; | |
Numb | Mg1865 | 26:15 | Ny taranak’ i Gada, araka ny fokony, dia izao: avy tamin’ i Zefona ny fokon’ ny Zefonita; avy tamin’ i Hagy ny fokon’ ny Hagita; avy tamin’ i Sony ny fokon’ ny Sonita; | |
Numb | Mg1865 | 26:18 | Ireo no fokon’ ny zanak’ i Gada, araka izay voalamina taminy, dia diman-jato amby efatra alina | |
Numb | Mg1865 | 26:19 | Ny zanak’ i Joda dia Era sy Onana; kanefa Era sy Onana dia maty tany amin’ ny tany Kanana ihany. | |
Numb | Mg1865 | 26:20 | Ary ny taranak’ i Joda, araka ny fokony, dia izao: avy tamin’ i Sela ny fokon’ ny Selita; avy tamin’ i Fareza ny fokon’ ny Farezita; avy tamin’ i Zera ny fokon’ ny Zerita. | |
Numb | Mg1865 | 26:21 | Ary ny taranak’ i Fareza dia izao: avy tamin’ i Hezrona ny fokon’ ny Hezronita; avy tamin’ i Hamola ny fokon’ ny Hamolita. | |
Numb | Mg1865 | 26:22 | Ireo no fokon’ i Joda, araka izay voalamina taminy, dia diman-jato amby enina arivo sy fito alina. | |
Numb | Mg1865 | 26:23 | Ny taranak’ Isakara, araka ny fokony, dia izao: avy tamin’ i Tola ny fokon’ ny Tolita; avy tamin’ i Pova ny fokon’ ny Povita; | |
Numb | Mg1865 | 26:24 | avy tamin’ i Jasoba ny fokon’ ny Jasobita; avy tamin’ i Simrona ny fokon’ ny Simronita, | |
Numb | Mg1865 | 26:25 | Ireo no fokon’ Isakara, araka izay voalamina taminy, dia telon-jato amby efatra arivo sy enina alina. | |
Numb | Mg1865 | 26:26 | Ny taranak’ i Zebolona, araka ny fokony, dia izao: avy tamin’ i Sereda ny fokon’ ny Seredita; avy tamin’ i Elona ny fokon’ ny Elonita; avy tamin’ i Jahalela ny fokon’ ny Jahalelita. | |
Numb | Mg1865 | 26:27 | Ireo no fokon’ ny Zebolonita, araka izay voalamina taminy, dia diman-jato amby enina alina. | |
Numb | Mg1865 | 26:29 | Ny taranak’ i Manase dia izao: avy tamin’ i Makira ny fokon’ ny Makirita; ary Makira niteraka an’ i Gileada; avy tamin’ i Gileada ny fokon’ ny Gileadita. | |
Numb | Mg1865 | 26:30 | Izao no taranak’ i Gileada: avy tamin’ i Jezera ny fokon’ ny Jezerita; avy tamin’ i Heleka ny fokon’ ny Helekita; | |
Numb | Mg1865 | 26:31 | ary avy tamin’ i Asriela ny fokon’ ny Asrielita; ary avy tamin’ i Sekema ny fokon’ ny Sekemita; | |
Numb | Mg1865 | 26:32 | ary avy tamin’ i Semida ny fokon’ ny Semidita; ary avy tamin’ i Hefera ny fokon’ ny Heferita. | |
Numb | Mg1865 | 26:33 | Ary Zelofada, zanak’ i Hefera, tsy mba nanan-janakalahy, fa zanakavavy ihany; ary ny anaran’ ny zanakavavin’ i Zelofada dia Mahala sy Noa sy Hogla sy Milka ary Tirza. | |
Numb | Mg1865 | 26:34 | Ireo no fokon’ i Manase; ary izay voalamina taminy dia fiton-jato amby roa arivo amby dimy alina. | |
Numb | Mg1865 | 26:35 | Izao no taranak’ i Efraima, araka ny fokony: avy tamin’ i Sotela ny fokon’ ny Sotelita; avy tamin’ i Bekera ny fokon’ ny Bekerita; avy tamin’ i Tahana ny fokon’ ny Tahanita. | |
Numb | Mg1865 | 26:37 | Ireo no fokon’ ny taranak’ i Efraima, araka izay voalamina taminy, dia diman-jato amby roa arivo sy telo alina. Ireo no taranak’ i Josefa araka ny fokony. | |
Numb | Mg1865 | 26:38 | Ny taranak’ i Benjamina, araka ny fokony, dia izao: avy tamin’ i Bela ny fokon’ ny Belita; avy tamin’ i Asibela ny fokon’ ny Asibelita; avy tamin’ i Ahirama ny fokon’ ny Ahiramita; | |
Numb | Mg1865 | 26:39 | avy tamin’ i Sefofama ny fokon’ ny Sefofamita; avy tamin’ i Hofama ny fokon’ ny Hofamita. | |
Numb | Mg1865 | 26:40 | Ary ny taranak’ i Bela dia Arda sy Namana; dia ny fokon’ ny Ardita; ary avy tamin’ i Namana ny fokon’ ny Namanita. | |
Numb | Mg1865 | 26:41 | Ireo no taranak’ i Benjamina araka ny fokony; ary izay voalamina taminy dia enin-jato amby dimy arivo sy efatra alina. | |
Numb | Mg1865 | 26:42 | Izao no taranak’ i Dana, araka ny fokony: avy tamin’ i Sohama ny fokon’ ny Sohamita. Ireo no fokon’ i Dana, araka ny fokony. | |
Numb | Mg1865 | 26:43 | Ny fokon’ ny Sohamita rehetra, araka izay voalamina taminy, dia efa-jato amby efatra arivo sy enina alina. | |
Numb | Mg1865 | 26:44 | Ny taranak’ i Asera, araka ny fokony dia izao: avy tamin’ i Jimna ny fokon’ ny Jimnita; avy tamin’ i Jisvy ny fokon’ ny Jisvita; avy tamin’ i Bena ny fokon’ ny Berita; | |
Numb | Mg1865 | 26:45 | avy tamin’ ny zanak’ i Bena dia izao: avy tamin’ i Hebera ny fokon’ ny Heberita; avy tamin’ i Malkiela ny fokon’ ny Malkielita. | |
Numb | Mg1865 | 26:47 | Ireo no fokon’ ny taranak’ i Asera, araka izay voalamina taminy, dia efa-jato amby telo arivo sy dimy alina. | |
Numb | Mg1865 | 26:48 | Ny taranak’ i Naftaly, araka ny fokony, dia izao: avy tamin’ i Jaziela ny fokon’ ny Jazielita; avy tamin’ i Gony ny fokon’ ny Gonita; | |
Numb | Mg1865 | 26:49 | avy tamin’ i Jezera ny fokon’ ny Jezerita; avy tamin’ i Silema ny fokon’ ny Silemita. | |
Numb | Mg1865 | 26:50 | Ireo no fokon’ i Naftaly araka ny fokony; ary izay voalamina taminy dia efa-jato amby dimy arivo sy efatra alina. | |
Numb | Mg1865 | 26:51 | Ireo no voalamina tamin’ ny Zanak’ Isiraely, dia telo-polo amby fiton-jato sy arivo sy enina hetsy. | |
Numb | Mg1865 | 26:54 | Ny maro isa homenao zara-tany bebe kokoa, ary ny vitsy isa homenao kelikely kokoa; samy araka ny voalamina taminy no hanomezana ny zara-taniny. | |
Numb | Mg1865 | 26:55 | Kanefa filokana no hizarana ny tany; araka ny anaran’ ny firenen’ ny razany no hahazoany zara-tany. | |
Numb | Mg1865 | 26:56 | Dia filokana no hizarana ny tany ho lovany, na ny ho an’ ny maro, na ny ho an’ ny vitsy. | |
Numb | Mg1865 | 26:57 | Ary izao no voalamina tamin’ ny taranak’ i Levy, araka ny fokony: avy tamin’ i Gersona ny fokon’ ny Gersonita; avy tamin’ i Kehata ny fokon’ ny Kehatita; avy tamin’ i Merary ny fokon’ ny Merarita. | |
Numb | Mg1865 | 26:58 | Izao no fokon’ i Levy: ny fokon’ ny Libnita, ny fokon’ ny Hebronita, ny fokon’ ny Mahalita, ny fokon’ ny Mosita, ny fokon’ ny Koralta. Ary Kehata niteraka an’ i Amrama. | |
Numb | Mg1865 | 26:59 | Ary ny anaran’ ny vadin’ i Amrama dia Jokebeda, zanakavavin’ i Levy, izay naterany tany Egypta; dia niteraka an’ i Arona sy Mosesy ary Miriama anabaviny tamin’ i Amrama izy. | |
Numb | Mg1865 | 26:61 | Fa maty Nadaba sy Abiho tamin’ izy nanatitra afo tsy izy teo anatrehan’ i Jehovah. | |
Numb | Mg1865 | 26:62 | Ary izay voalamina taminy dia telo arivo amby roa alina, dia ny lahy rehetra hatramin’ ny iray volana no ho miakatra; fa tsy niaraka nalamina tamin’ ny Zanak’ Isiraely izy, satria tsy mba nomena zara-tany teo amin’ ny Zanak’ Isiraely. | |
Numb | Mg1865 | 26:63 | Ireo no voalamin’ i Mosesy sy Eleazara mpisorona, izay nandamina ny Zanak’ Isiraely teo Arbota-moaba, teo amoron’ i Jordana tandrifin’ i Jeriko. | |
Numb | Mg1865 | 26:64 | Ary tamin’ ireo dia tsy nisy olona avy tamin’ izay efa voalamin’ i Mosesy sy Arona mpisorona tamin’ izy nandamina ny Zanak’ Isiraely tany an-efitr’ i Sinay. | |