Site uses cookies to provide basic functionality.

OK
PSALMS
Prev Up Next
Chapter 34
Psal Mg1865 34:2  Hisaotra an’ i Jehovah lalandava aho; ho eo am-bavako mandrakariva ny fiderana Azy.
Psal Mg1865 34:3  Jehovah no reharehan’ ny fanahiko; hahare izany ny mpandefitra ka ho fay.
Psal Mg1865 34:4  Miaraha mankalaza an’ i Jehovah amiko; ary aoka hiara-manandratra ny anarany isika.
Psal Mg1865 34:5  Mitady an’ i Jehovah aho, dia mamaly ahy Izy ka manafaka ahy amin’ ny tahotro rehetra.
Psal Mg1865 34:6  Mijery Azy ireo ka miramirana, sady tsy mangaihay ny tavany.
Psal Mg1865 34:7  Ity olo-mahantra ity niantso, dia nihaino Jehovah ka namonjy azy tamin’ ny fahoriany rehetra.
Psal Mg1865 34:8  Ny Anjelin’ i Jehovah mitoby manodidina izay matahotra Azy ka mamonjy azy.
Psal Mg1865 34:9  Andramo ka izahao fa tsara Jehovah; sambatra izay olona mialoka aminy.
Psal Mg1865 34:10  Matahora an’ i Jehovah, ianareo olony masìna; fa tsy hanan-java-mahory izay matahotra Azy.
Psal Mg1865 34:11  Na dia ny liona tanora aza tsy ampy hanina ka noana. Fa izay mitady an’ i Jehovah kosa dia tsy ho orin-java-tsoa akory.
Psal Mg1865 34:12  Avia, anaka, mihainoa ahy; ny fahatahorana an’ i Jehovah no hampianariko anareo.
Psal Mg1865 34:13  Na iza na iza ianao no maniry fiainana ka tia andro maro hahitana ny soa,
Psal Mg1865 34:14  Dia arovy ny lelanao amin’ ny ratsy ary ny molotrao mba tsy hiteny fitaka.
Psal Mg1865 34:15  Halaviro ny ratsy, manaova soa; mitadiava fihavanana, ka araho izany.
Psal Mg1865 34:16  Ny mason’ i Jehovah dia mitsinjo ny marina, ary ny sofiny mihaino ny fitarainany.
Psal Mg1865 34:17  Ny tavan’ i Jehovah tezitra amin’ ny mpanao ratsy kosa, mba hofongorany tsy ho eo amin’ ny tany ny fahatsiarovana azy.
Psal Mg1865 34:18  Mitaraina ny marina, ary mihaino azy Jehovah ka mamonjy azy amin’ ny fahoriany rehetra.
Psal Mg1865 34:19  Akaikin’ izay manana fo mangorakoraka Jehovah, ary mamonjy izay torororo fanahy.
Psal Mg1865 34:20  Maro ny fahorian’ ny marina; nefa Jehovah manafaka azy amin’ izany rehetra izany.
Psal Mg1865 34:21  Miaro ny taolany rehetra izy; tsy hisy ho tapaka ireny na dia iray akory aza.
Psal Mg1865 34:22  Hahafaty ny ratsy fanahy ny fahoriana; ary ny mankahala ny olo-marina hohelohina.
Psal Mg1865 34:23  Fa Jehovah manavotra ny fanahin’ ny mpanompony, ka tsy mba hisy hohelohina izay rehetra mialoka aminy.