Site uses cookies to provide basic functionality.

OK
PSALMS
Prev Up Next
Chapter 38
Psal Mg1865 38:2  Jehovah ô, aza ny fahatezeranao no ananaranao ahy; ary aza ny fahaviniranao no amaizanao ahy.
Psal Mg1865 38:3  Fa mitsatoka amiko ny zana-tsipìkanao, ary manindry ahy mafy ny tananao,
Psal Mg1865 38:4  Tsy misy fahasalamana ny nofoko noho ny fahatezeranao; tsy misy tsy marary ny taolako noho ny fahotako.
Psal Mg1865 38:5  Fa ny heloko efa mihoatra ny lohako; tahaka ny entana mavesatra izy ka tsy zakako.
Psal Mg1865 38:7  Mitanondrika sy mijoretra indrindra aho, ary misaona mandrakariva.
Psal Mg1865 38:8  Ary ny vaniako henika ny aretina mahamay, ka tsy misy fahasalamana ny nofoko.
Psal Mg1865 38:9  Marikoditra aho sady torovana indrindra; midradradradra aho noho ny fitolokon’ ny foko.
Psal Mg1865 38:10  Ry Tompo ô, eo anatrehanao ny faniriako rehetra; ary ny fisentoako tsy mba miafina aminao.
Psal Mg1865 38:11  Miemponempona ny foko, lany ny heriko, ary ny fahiratan’ ny masoko aza efa nandao ahy.
Psal Mg1865 38:12  Ny olo-malalako sy ny sakaizako aza efa manalavitra ny fahoriako; Ary ny havako mijanona eny lavitra eny.
Psal Mg1865 38:13  Mamela-pandrika izay mitady ny aiko; ary izay mitady hanimba ahy miteny fanimbana, sy misaim-pitaka mandrakariva.
Psal Mg1865 38:14  Fa izaho dia tahaka ny marenina ka tsy mandre, ary tahaka ny moana ka tsy mahaloa-bava;
Psal Mg1865 38:15  Eny, dia tahaka ny olona tsy mandre, sady tsy misy teny havaly eo am-bavany.
Psal Mg1865 38:16  Fa ianao no antenaiko Jehovah ô; ianao no hamaly, ry Tompo Andriamanitra ô.
Psal Mg1865 38:17  Fa hoy izaho: sao dia hifalian’ izy ireo anie aho; ary raha mibolisatra ny tongotro, dia hirehareha amiko izy.
Psal Mg1865 38:18  Fa efa ho lavo aho, ary ny fanaintainako dia tsaroako mandrakariva.
Psal Mg1865 38:19  Fa ny heloko no hambarako; matahotra aho noho ny fahotako.
Psal Mg1865 38:20  Fa ny fahavaloko velona ihany sady mahery; ary maro no mandrafy ahy tsy ahoan-tsy ahoana;
Psal Mg1865 38:21  Ary mamaly ratsy ny soa izy ireo ka mandrafy ahy ho valin’ ny fanarahako ny tsara.
Psal Mg1865 38:22  Aza mahafoy ahy, Jehovah ô; Ry Andriamanitro ô, aza manalavitra ahy.
Psal Mg1865 38:23  Faingàna hamonjy ahy, ry Tompo, Mpamonjy ahy ô.